Politique

CT Donazy Ireo matahotra ho very seza no mamboly korontana


  • Alakamisy 18 Oktobra 2012

Tsikaritra fa amin’ireo taratasim-panjakana isan-karazany sy rehefa misy lanonana ara-panjakana dia voalaza eny am-piandohana mandrakariva ilay hoe : araka ny lalàmpanorenana.

 Dia manontany tena ny rehetra hoe lalàmpanorenana inona izany ? Araka ny fanazavan’i Donazy, mpikambana eo anivon’ny Kongresy avy any Vangaindrano, dia ny sori-dalana nosoniavina ny 17 septambra 2011 ary voavadika lalàna tamin’ny volana desambra 2011 no mitondra ny tany sy ny firenena. “Haingon-taratasy fa tsy iainana ny lalàmpanorenana na ny sori-dalana mitondra ny tany sy ny firenena amin’izao tetezamita izao”, hoy ingahy Donazy. Mahagaga, hoy izy fa ny nanao sonia ilay sori-dalana no mitsipaka ny sonia nataony. Soniavina androany, tsy ekena rahampitso.

Efa lalàna fa miverina tsy misy fepetra ny filoha Ravalomanana, hoy ihany ity zanak’Atsimo Atsinanana ity koa aoka tsy holalaovina ny firenena. Raha olona milaza azy ho tompon’andraikitra ambony amin’izao tetezamita izao dia mbola ny sori-dalana no nametraka azy, araka ny fanazavana. Raha tsy hanaraka io sori-dalana io dia tokony hiala, hoy ihany ny CT Donazy. Nomarihiny fa tsy an’ny sefo miaramila i Madagasikara fa an’ny Malagasy ka raha izy ireo no hanakana ny fodian-dRavalomanana eto dia hahita raharaha amin’ny vahoaka. “Ianareo matahotra ny ho very seza no hamboly korontana eto rehefa tonga Ravalomanana”, hoy ihany izy.

Soa 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT