Hanomboka anio talata 20 novambra eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny fivoriana hitambaram-be azon’ny besinimaro atrehana hiadian-kevitra mikasika an’ilay volavolan-dalàna Lah. 027/2012 tamin’ny 31 oktobra 2012, mikasika ny tetibolam-panjakana taona 2013 mialoha ny handaniana azy ho lalàna velona.
Efa nanambara teto amin’ny gazety ny amin’ny tokony handaniana azy ity tsy misy fisalasalana ny filohan’ny vaomieran’ny vola sy tetibola eny anivon’ny Kongresin’ny tetezamita. Nilaza ny tsy hanaiky lembenana hitondra ny heverin-dry zareo fa fanitsiana tsy maintsy hoentina ao anatin’izy io ny Ankolafy Ravalomanana. Haharesy dohika ny maro an’isa eny amin’ity Lapa ity tompon’ny fananganan-tanana anefa ve izy ireo satria efa resy tosika ny solontenany tany amin’ny asam-baomiera ?
Ho hitantsika eo ny tohin’izay fa ny CT Damy aloha izay filohan’ny vondrona parlemantera Monima eny amin’ity Kongresy ity dia velom-panontaniana mafy ny amin’ny tsy mba ahitana soritra kely akory ao anatin’ity volavola ity ny sorabola ho an’ny FFM sy ny CES izay rafitra mahaleotena tahaka an’ireo rafitra rehetra mitondra ny tetezamita tahaka ny CST, CT … Ary dia nahasahy nilaza fa hafahafa ity volavolan-dalàna atolotra hodinihan-dry zareo ity. Nomarihany fa tsy afaka nanontany izany izy satria tsy mpikambana tao anatin’ny vaomiera mpandinika ity volavolan-dalàna ity ka mety ho anisan’ireo hamatrapatratra amin’ny fivoriambe manomboka anio ka hahatritra telo andro.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.