Politique

CT Ankolafy Ravalomanana Nanohana an-dRavatomanga teny Tsimbazaza avokoa


  • Alarobia 07 Novambra 2012

Nipitrapitra toy ny kamboty tsy misy mpiahy omaly talata ny vahoaka tonga nanohy ny tolona mahazatra teny amin’ny Magro Behoririka.

 . Saika tazana nanotrona naneho firaisankina tamin’ny minisitry ny fambolena Roland Ravatomanga nanohana ny fandaniana ny volavolan-dalàna 024/2012 mikasika ny famatsiam-bola hataon’ny FIDA eo amin’ny resaka fanofanana mpamboly, ireo CT mpitarika ny fotoana sady mazoto sy mahazatra ny olona ny mihaino azy ireo mikabary. Asa tokoa aloha vao kabary. Ny ambin’ireo CT 184 tonga nanotrona hatramin’ny farany ny fivoriana nitambarambe omaly no nandany ity volavolan-dalàna fanampiana sy fampisamboram-bola ity izay mahatratra 54.000.000 dolara na 122.52.000.000 Ariary ka ny 33.000.000 dolara dia vola ampisamborin’ny FIDA, ny 2.000.000 dolara no fanomezana.

Hanofanana ireo tanora tantsaha niala tamin’ny fianarana, ny tanora hiditra amin’ny sehatry ny asa, ireo maniry ho mpitao-draharaha, sekolim-pamokarana ary ireo sokajin’olona sahirana ireo vola ireo. Ilaina ihany izany ny famatsiam-bola avy any ivelany fa tsy araka ny angoatenda natao tany am-piandohan’ny fanovana tamin’ny taona 2009 ary dia tsy nisy niresaka ny fiandrianam-pirenena sy ny fahaleovantena amin’ny fitantanana ny fihariana eto amintsika ireo CT nandray fitenenana omaly na iray aza. Marihina fa ny minisitra Roland Ravatomanga mihitsy no nandeha tany Bruxelles tamin’ny volana febroary 2012 niangavy mafy ny FIDA hanokatra ity “robinet” ity hampahomby ny tetezamita fa mbola mikatona noho ny sazy mahazo antsika izany hatreto, araka ny nambarany teny Tsimbazaza omaly.
Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT