Politique

CST Rasamimaka Mahefalahy “Ny vola be ao Ambatovy no mahamaika an’ireo”


  • Alatsinainy 08 Oktobra 2012

Renivohitry ny hetsika politika i Toamasina ny faran’ny herinandro teo. Nanao ny hetsika fanaony isan-kerinandro ny ankolafy Ravalomanana Toamasina tao amin’ny Magro Tanambao V, nivoy ny azy koa ny TGV sy ny ekipan’Ambohitsorohitra nitety tanŕna sy nanomboka asa fanarenana fotodrafitrasa.

 Nisy ny resaka nifanaovan’ny Tia Tanindrazana tamin’ny CST Me Rasamimaka Mahefalahy mikasika ity raharaha politika tao Toamasina ity.

Tia Tanindrazana (TT) : Anisan’ireo tonga niatrika ny lanonana teny Ambatovy ianao, nefa raha ny zava-nisy dia nanjakan’ny TGV sy ny ekipan’Ambohitsorohitra ny lanonana, ny minisitra tsy TGV aza noterena niala tsy mahazo nanatrika. Inona no antony sy ny hevitrao Atoa CST Rasamimaka Mahefalahy ?

CST Rasamimaka Mahefalahy (Me Mahefa) : Aoka aloha hazava fa tsy noho i Andry Rajoelina no nahatonga ahy teo. Fanasana manokana tamin’Ambatovy no nahatongavako teo na tamin’ny maha CST aza ny fanasana. Ankoatra izay dia anisan’ny mpanampy ny orinasa ara lalàna ny tenako hatramin’izay. Izay no nahatonga ahy nitsangana vao nikabary ny filohan’ny tetezamita. Tsy tokony ho anjarany ireny fa an’ny praiminisitra na ny minisitry ny indostrika ihany koa. Ny tena nahasosotra ahy koa dia ny fandroahana ny minisitry ny harena ankibon’ny tany. I Andry Rajoelina koa anie ka nasaina toy ny olon-drehetra e ! Tsy mety ireny fihetsika nataony sy ny ekipany ireny amiko satria efa tsy nisy tsy nahita ny nahatongavan’ny minisitry ny harena ankibon’ny tany nefa nanjavona tampoka vao nandefasana SMS avy amin’ny SGP sy ireo mpanolotsaina sasany an’Ambohitsorohitra, araka ny vaovao azonay.

TT: Midika inona ary ireny aminao ?
Me Mahefa :
Midika fa misy olana goavana eo anivon’ny samy mpanatanteraka ao. Ny marina eo amin’ny mpanolontsain’i Andry Rajoelina sy ny ekipan’ny praiminisitra Beriziky. Nahoana moa no ny mpanolotsain’i Andry Rajoelina avokoa no nameno ny sehatra ery ambony, fa ny minisitra napetraka aty ambany ? Nahoana no tsy navela niteny ireo lehiben’ny Faritra nefa ny Faritra hiadidiany no misy ny orinasa na ny fitrandrahana na ny fanodidinana na ny fanondranana ny vokatr’Ambatovy. Fanapenam-bava ankitsirano ireny, ary midika fa mitetika ny handeha irery amin’ny hetsika fanomanana ny dokambarotra politikany ny ao Ambohitsorohitra, nefa raha mitohy izao dia hiady an-trano ireo ary tsy ho ela izany raha ny mba vaovao azoko ny resahako. Manampy trotraka izany ny tsy fanomezana hasina ny zanaky ny Faritra, satria na tiana na tsia, dia mila omena lanja ny zanaky ny Faritra nefa tsy hita izy ireo nahitana ny filoha lefitra CST Roland Ratsiraka, VPM Botozaza Pierrot…

TT : Inona no ilazanao izany ?
Me Mahefa
: Na ho inona no ambara eto, dia ny filoha Ravalomanana no nanana fahasahiana nampiditra io tetikasa goavana amin’ny famatsiam-bola mivantana io teto amintsika. Na tsy hanonona ny anaran’ny filoha Ravalomanana i Andry Rajoelina, dia mba fahalalam-pomba tsara indrindra ny fisaorana ny tsara nataon’ny teo aloha. Hita fa toa midedaka ny nahavita sy milaza fa noho izy ireo no nahatonga an’Ambatovy ho toy izao, nefa ny tantara tsy mandainga, ny vahoaka nahita ary ireo mpiasa nahazo tombontsoa tao mahalala tsara. Ny tsikaritro ihany koa, dia niaiky ny fakany vola tamin’ambatovy Ambohitsorohitra. Raha nilaza ny hiarovana azy tamin’ny filohan’Ambatovy mantsy i Andry Rajoelina, dia nodian’ity farany fanina satria tsy hanimba tena ao anatina fandrikaa toy izany ny matihanina amin’ny asany toa ireny. Izay ilay hoe ny marina tsy mba maty, ny vola be ao Ambatovy no mahamaika an’ireo fa tsy izany fitsinjovana vahoaka sy ny fampandrosoana ny firenena izany.

Nangonin’i Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT