Politique

CST Rahariniriana Jacques Aimé Nahatsiaro ho voatampim-bava


  • Alarobia 05 Desambra 2012

Isan’ireo mpikambana CST nandŕ hatramin’ny farany ny fandaniana maimaika tahaka ny nataon’ny tao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ny volavolana tetibolam-panjakana 2013 Atoa Raharinirina Jacques Aimé, omaly talata tao Anosikely.

 Amin’ny zavatra tahaka ireny izay hamolavolana lalàna hifehy fiainam-pirenena mandritra ny herintaona, hoy izy, dia tsy tokony hisy fanapenam-bava mihitsy . Raha tena mihevitra fa mpitondratenin’ny vahoaka notendrena dia tokony niala nenina sy afa-po tanteraka tamin’ny fitsikerana azy ny rehetra na dia fantatra aza fa tsy maintsy lany foana ilay izy.

Tsy navela hiteny haneho hevitra intsony izahay. Ny vokatra haterany ihany no afaka hifampitsarantsika hoe : iza no manana marina, iza no manana ny rariny, iza no nandany andro fotsiny mieritreritra ny vahoaka ? Ny fantatra aloha, hoy ny nambaran’ity CST Tambatra/Les As ity, raha ny antotanisa azo dia niteraka fitokonana miisa 27 ny tetibola tamin’ity taona madiva hifarana ity. Izao indray tsy mbola hiasana akory dia efa fitokonana etsy (mpiandraiki-draharahan’ny fonja), fitokonana eroa (mpampianatra Fram sns…). Dia velona ny fanontaniana manao hoe : azo itokisan’ny vahoaka tokoa ve ireo olona nisoloky ny feony ka nanery maimaika hoe : lanio, lanio, lanio niaraka tamin’ny fanapenam-bava ireo ?

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT