Politique

«CST mamba noana» Nisafoaka ny tao Anosikely


  • Alarobia 31 Oktobra 2012

Namantsipantsika sy nihogahoga mpanao gazety omaly ny mpikambana maro ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny tetezamita tetsy amin’ny Lapa maitson’Anosikely nandritra ny fivoriana azon’ny daholobe natrehana nitateran’ny filohan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana ny resaka SOS SUD.

 Tena tsy lanin’ny vavonin’ireto CST ireto mihitsy ny lohateny nivandravandra tao amin’ny gazety mpiseho isan’andro iray eto an-drenivohitra nivoaka tamin’iny herinandro lasa teo hoe “CST affamés” na raha adika ara-bakiteny dia hoe “CST mamba noana”. Nasaina nivoaka ny trano fivoriana ny mpanao gazety omaly ary dia mbola narahin’ny CST avo vava tamin’ny hoe : mijanona ny “CST affamés” fa lasa ny “mpanao gazety rassasiés (voky)”.

Ao anaty lapany moa ireto olom-boatendry ireto ka zony ny miteny izay tiany holazaina ao ary tsy azo valiana ao ihany koa ka dia nitsaitsaika ny mpanao gazety fa dia ety amin’ny soratra mifankahita ê ! Fa tao anatin’ity fivoriana omaly ity ihany koa anefa no nandrenesana CST nitsikera ny tsy fisian’ny fahalalahana eo amin’ny asa fanaovan-gazety fa na ry zareo mpitondra fanjakana filohana vaomiera aza dia tsy mahazo miteny ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana fa “lasa fahavalom-panjakana ny milaza ny marina izao”. Tsy misy vaovao azo afa-tsy ny avy amin’ny mpitandro ny filaminana milaza fa milamina sy mandroso ny fampandrian-tany any Betroka eto. 

 
Manohy 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT