Politique

CST Anosikely Lahiniriko no hasolo an’i Dolin ?


  • Alatsinainy 29 Oktobra 2012

Mandady ny trambo eny amin’ny lapan’Anosikely eny. Araka ny tsiliantsofina re dia misy manana eritreritra hametraka an’Atoa Lahiniriko Jean ho filohan’ny CST ireo mpomba ny filohan’ny tetezamita ao anatin’ity andrim-panjakana ity.

 Izay izany ilay hoe tsy miady tsy miady fa ny kibay an-kelika ihany. Nambara mantsy fa efa nilamina ny disadisa teo amin’ireo mpikambana sasany sy ny birao maharitra ka navela any mihitsy ny hoe fanonganana ny filohan’ny CST, ny jeneraly Rasolosoa Dolin ; hay ka tena mbola misy miketrika ny tena hanilika azy tanteraka. Ny marina dia ireo mpikambana CST akaiky azy ihany no hamadika ity anisan’ny tanan-kavanan’i Andry Rajoelina (teo aloha) ity. Tsara homarihana fa nanohana ny jeneraly Rasolosoa Dolin ireo mpikambana CST avy amin’ny ankolafy Ravalomanana nandritra ny fifidianana izay ho filohan’ity andrimpanjakana ity, ary efa tena henjana dia henjana ny isam-bato saingy tafita ihany moa ny jeneraly Dolin. Taorian’io raha nitrangan’olana indray ny fifidianana ireo filoha lefitra, dia ny jeneraly Rasolosoa Dolin no anisan’ny nandroso hevitra ny amin’ny hampitomboana ho 7 ny isan’ny filoha lefitra raha toa ka 6 izy teo aloha.

Nekena izany ka tafiditra ho filoha lefitra amin’ny anaran’ny ankolafy Ravalomanana ny Me Hanitra Razafimanantsoa. Efa tsy nahafaly mpikambana CST maromaro izany tranga izany, kanefa hita ihany fa tsy maintsy nataon’ny filohan’ny CST ho fanonerany ny fanohanan’ny ankolafy Ravalomanana azy tamin’ny fifidianana. Niezaka nipetraka amin’ny maha filohana andrimpanjakana azy foana Rasolosoa Dolin ary azo ambara, aza hoe nanaisotra ny akanjo maha ankolafy Rajoelina azy mihitsy.

Nahatezitra ireo mpikambana CST mpanohana an’i Andry Rajoelina izany fihetsiky ny filohan’ny CST izany, ka nahatonga azy ireo hiketrika ny fanonganana azy dia mody saronana amin’ilay hoe fanonganana ny birao maharitra, izay tsy mahavita miaro ny tombontsoan’ny CST. Atoa Lahiniriko Jean no hitan’ireto mpanongana ireto fa mahafeno ny fepetra noho izy efa filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha, izy rahateo zanaky ny faritra atsimon’ny nosy ary anisan’ny mpitarika ny vondrona politika UDR-C izay manohana tanteraka ny filohan’ny tetezamita. Mety hivoatra ny toe-draharaha eny amin’ny lapan’Anosikely eny amin’ity herinandro ity ka ho hita eo ihany raha tafajanona amin’ny sezany ny jeneraly Rasolosoa Dolin na hanara-dia ireo mpiara-mitolona tamin’ny filohan’ny tetezamita, voailika.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT