Vonona hijoro hiaro ny marina hatrany ny CST Alain Ramaroson na inona na inona hitranga. Tafiditra ao anatin’izany ny fijerena ny marina mikasika ny ady tany etsy sy eroa ka mahatonga ireo olona tsy manan-tsiny esorina amin’ny toeram-ponenany.
Toy izany koa ny fampisehoana ny marina rehetra mikasika ireo zava-misy eto amin’ny firenena, antony hananganana ireo vaomiera miisa dimy eo anivon’ity andrim-panjakana misy azy ity, dia ny vaomiera hanara-maso ny “bois de rose”, ny hijery manokana ny raharaha ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina, hanara-maso ny harena ankibon’ny tany, ny atitany ary ny hijery mankana ny nahafaty ny minisitra Nadine Ramaroson.
Tsy misy antony nanaovana ny hetsika tamin’ny taona 2009 mantsy ka nidinana teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey, hoy ny CST Alain Ramaroson raha mbola izao no zava-misy hiainana eto amin’ny firenena. Samborina sy gadraina avokoa izay rehetra milaza ny marina, eny fa na dia ny mpanao gazety aza. Izay manana ihany no manana ary ny mahantra dia hahantra foana. Mampitandrina ny fitondrana tetezamita ity CST ity noho izany mba hijeren’izy ireo ny vahaolana akaiky tokony haroso ny mpiara-belona. Raha ny hatezeran’izy ireo mantsy no miangona dia tsy fantatra intsony izay zavatra mety hiseho, hoy ihany ity CST ity.
Pati
ENCADRE
Zava-dehibe kosa aloha rehefa mahatsapa fa tsy misy mandeha amin’izay laoniny intsony ny raharaha eto amin’ny firenena ary hita fa betsaka no latsa-panenenana. Fa ny mampalahelo dia raha izao no fizoran’iny lalana iny, maninona no dia nanimba zavatra tamin’ireny 2009 ireny ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.