Amporisihana ny fifanomezan-tanana eo amin'ny olom-pirenena tsirairay mba hahafaha miara-misoroka sy manafoana ny fanimbana ireo harena voajanahary. Paikady apetraka amin'izany ny fampandraisana andraikitra bebe kokoa ireo Vondron'Olona Ifotony (VOI)
izay isan'ireo mpisehatra to-teny afaka manampy amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra eo anivon'ny fiaraha-monina. Nisy, araka izany, ny fampiofanana ireo VOI Voromahery sy ny VOI Aro Ala ary ny VOI Hitsikitsika mahakasika ny maha sarobidy ny CAZ eo amin'ny tontolo iainana, ireo fepetra fampiasana sy fitrandrahana maharitra ny ala ary ny fisorohana ny afo sy ny asa fanaraha-maso tokony atao hiarovana ireo harena voajanahary ao aminy. Nisy ihany koa ny fanentanana izay natao tao amin'ireo mponina ao Beanamalao, Ambodilendemy, Lovingo, Ampasimazava, Ambodivoangy, Manolomasina, Ambinanindrano, Sahafona sy ny kaominina Ambohimanana. Manampy an'i Madagasikara amin'ny fiatrehan'ny fiovan'ny toetrandro ny fisian'ny Corridor Ankeniheny Zahamena (CAZ). Ahitana karazan-java-maniry maro sy karazam-biby mampiavaka an'i Madagasikara ity Faritr'ala arovana ity. Laharam-pahamehana araka izany ny fanamafisana ny fiarovana azy. Isan'ny asa imasoan'ireo ekipa eny ifotony ihany koa ny fanentanana sy ny fanabeazana ara-tontolo iainana ireo mponina manodidina ny faritra arovana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.