Politique

Constant Raveloson Na tonga Ravalomanana na mihemotra ny fifidianana


  • Zoma 09 Novambra 2012

Raha resaka matotra dia tsy tokony ho fotoana tery kely toy ireny no nifampidinihan’ny governemanta sy ireo mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita, hoy i Constant Raveloson, mpikambana ao ihany koa.

 Tokony hifampidinika tsirairay amin’ny CT ny mpanatanteraka, araka ny fanazavany. Izay ahitana firindran-javatra eo amin’ny mpanatanteraka sy ny mpanao lalana manko no hahazoana mamoaka an’i Madagasikara amin’ilay krizy, hoy izy. Raha ny fahitan’ity mpanao politika ity ny fizotry ny fihaonan’ny governemanta sy ny CT dia nanao izay hisiana vava latsaka hahalany izay volavolan-dalàna arosony ny mpanatanteraka, izany hoe zary lasa fombafomba fotsiny no natao. Raha ny fandinihan’i Constant Raveloson azy dia mbola mihevitra fa fitondrana FAT no misy amin’izao fotoana izao ka i Andry Rajoelina nanongam-panjakana no lehibeny kanefa i Andry Rajoelina, hoy Constant Raveloson dia olona notendren’ny sori-dalana ho filohan’ny tetezamita.

Mbola mihevitra i Andry Rajoelina, hoy ity mpikambana MFM ity fa izy daholo no manapaka, raisiny toy ny fananany manokana ny harem-pirenena. Anjaran’ny parlemanta ny manao fampamoahana ny mpanatanteraka ka ohatra amin’izany ny sora-bolan’ny CST sy CT. Raha mijery ivelany dia toy ny hoe mitady vola mihoapampana ny parlemanta kanefa izy ireo aza nanaiky hoe nahena ny momba azy ireo satria nitombo isa ireo mpikambana. Raha ny zava-misy, hoy ihany i Constant Raveloson dia omena vahana amin’io tetibolam-panjakana io ny toto vodibasy sy ny fitifiran’olona fa tsy ny fandaminana ny fitondrana izay tokony ho eo anivon’ny parlemanta.

Ankoatra izay dia nambaran’ity mpikambana eo anivon’ny CT ity fa zava-dehibe ny fanapahan-kevitra noraisin’ny profesora Zafy Albert sy ny amiraly Ratsirakas tsy nety nandeha ho any Maputo. Manamafy izany, hoy i Constant Raveloson fa tsy maintsy misy ary eto Madagasikara no hanatontosana ny dinik’ireo samy mpitondra ka manaitra ny FFKM hanamora izay dinika izay. Dingana voalohany hidiran’i Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana koa io dinika io, araka ny fanazavany ihany, avy eo dia mitohy amin’ny andrim-pitondrana tena izy, izany hoe hametrahana ny fifadanjan-kery. Mifanohy amin’izay dia nambaran’i Constant Raveloson fa na Ravalomanana tonga na ny fifidianana no mihemotra. Izy filoha ihany no tanjona ka tsy misy dikany ilay daty 8 novambra lazaina fa tokony hahatongavany eto.
Soa


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT