Heverin’ireo ao amin’ny antenimierandoholona ireo ve fa an’ny Ray aman-dReniny io,
ka izy no mifandamindamina ao, hoy Atoa Constant Raveloson omaly tamina onjam-peo iray. Voalazan’ny eo amin’io andrim-panjakana io, fa mbola hifandaminana ny fakana ny toeran’izay ho filoha lefitra avy amin’ny mpanohitra. Ny lalàna misy, dia ny lalàna no ampiharo, hoy kosa ity mpanao politika ity. Bikabikan’ny olona notendrena ireo, ary ny mpanohitra tonga dia avy dia nanipy “gants”, kanefa tokony afaka niadian-kevitra hoe ahoana marina ny lalàna momba ity antenimerandoholona ity, hoy Atoa Constant Raveloson. Tsy fahefana ifandovana izy io, ka hoe hifampiresaka. Nametra-panontaniana izy hoe: efa notsofin’ny HCC rano ve fa tsy hatao mihitsy ny fifidianana Mpitondra ny faritra? Zavatra manokana (cas exceptionnel) anefa ny hoe natao ny fifidianana loholona talohan’iny na mbola tsy misy mpitondra ny faritra aza. Tsara ny mampahatsiahy, fa ny andininy faha-154 amin’ny lalàmpanorenana nolaniana tamin’ny 2010 fotoanan’ny tetezamita, izay mbola tsy niova mandrak’ankehitriny no maneho fa : “ny asan’ny mpanatanteraka dia sahanin’ny rantsa-mangaika tarihin’ny Lehiben’ny Faritra izay olom-boafidy tamin’ny alalan’ny latsa-bato andraisan’ny rehetra anjara”. Hatreto, tsy izay no miseho fa mbola olom-boatendry, novaina fahatany ho governora ny fiantso ny Lehiben’ny faritra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.