“Fanjakan-dahalo, mitam-piadiana no eto, tato anatin’ny efa-taona latsaka kely izao”, hoy Raveloson Constant.
Ny zava-misy koa dia manararaotra an-dRemenabila ny olona milaza fa lehiben’ny vaomieran’ny filaminana sy fandriampahalemanana. “Mibaribary izao fa tsy nahavita na inona inona izy eo amin’ny resaka fandriampahalemana ka nipoaka Remenabila vao mihatsaravelatsihy mizara sakafo sisa”, hoy ihany ity mpanao politika avy amin’ny Mafana ity tonga tetsy amin’ny kianjan’ny Magro omaly. Tsy misy mahavita miady amin-dRemenabila ny mpitondra fa tsy maintsy olona ankatoavim-bahoaka vao vita izany. Momba ny dian-dRajoelina any amin’ny Firenena Mikambana indray, ka nanaovany sonia ny fifanarahana momba ny fiarovana ny zon’ny ankizy sy ny fanafoanana ny fanamelohana ho faty dia tsotra no nambaran-dRaveloson Constant. “Misoloky amin’ny filazan-javatra Rajoelina”. Misy fepetra ny momba ireny fifanarahana ireny, hoy izy, anisan’izany ny tokony handanian’ny eny amin’ny Parlemanta.
Ny manan-danja kokoa aza, araka ny fanazavany dia efa nisy volavolan-dalàna tokony ho nolaniana avy taty amintsika, izay vao naroso teo anatrehan’ny Firenena Mikambana. Momba ilay hoe fiarovana ny zon’ny ankizy indray dia nanipika mazava i Constant nilaza fa zo fototry ny ankizy ny mianatra ary ny fanjakana no tokony hiantoka maimaimpoana izany zo izany. Ny zava-misy anefa, hoy izy, dia ampandoavin-dRajoelina vola an’aliny vao afaka miditra eny amin’ny EPP ny zana-bahoaka. Ny vola natokana hanitarana ny sekoly, hamatsiana fitaovana ireo sekoly araka ny vina efa napetraky ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny fotoan’androny dia navarina ho fanambantambazana ireo mpiasa. “Nampiditra ozona ho an’ny taranaka ny fanonganam-panjakana satria dia hatramin’ny varavaran-tsekoly dia nakatona ho an’ireo zaza Malagasy satria takiana volabe”, hoy ihany Raveloson Constant.
Ankoatra izay, raha ny fanazavana ihany dia boky fampianarana an-taonina maro no nodoran’ny FAT tamin’izy ireo vao tonga teo amin’ny fitondrana, ny “kit scolaire” izay azon’ny ankizy tsy nisy intsony, ny “cantine scolaire” koa tsy hita intsony tato anatin’ny efa-taona. Mampivarahontsana, hoy ihany ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny MFM ity fa very sasaka ny ankizy tafiditra an-tsekoly tamin’ny 2011 ary raha izao no mitohy dia tsy hisy “cadre” intsony eto afaka folo taona ka ny zana-bazaha sy ny mahitahita no hanjaka eto. Manoloana izany, hoy izy dia misy anjara tolon’ny tsirairay ny amin’ny hiavotana sy hanavotana ny zanaka Malagasy hiditra an-tsekoly satria ho very maina fotsiny ihany ny hoe mitolona ho an’ny taranaka faramandimby izany raha avela amin’izao io fandoavam-bolabe eny amin’ny EPP io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.