Betsaka no azo resahana raha mikasika ny taona 2020 teto Madagasikara, hoy ny mpanao politika,
Constant Raveloson. Ilay ekipa nitondra tato anatin’ny 2 taona izay misasaka izao ny taom-piasany, miampy ilay 5 taona hatramin’ny 2013 dia tsy nahavita nampitombina tsara ny fanjakan’ny repoblika faha 4. Izao vao nametraka loholona izy. Ny faritra tsy voapetraka. Ny andrim-panjakana tafajoro miady. Ny antenimieram-pirenena sy loholona ary governemanta. Tsy nahatafapetraka ny fanjakana noheveriny hapetraka ireo mpitondra nifandimby tao anatin’ny repoblika faha 4. Ny tena loza dia ny lalana mitondra antsika hatramin’ny lalampanorenana dia ireo ihany no mampiditra sy manafoana ny tenany. Ohatra hoe fifidianana izao main-tany no fanaovana azy dia ao ihany no misy indro kely hoe “kanefa”. Ny faritra koa, ohatra, mitondra io ny governora saingy tsy mametra ny lalàna hoe amin’izao ilay izy no tsy maintsy voajoro. Milalao ireny ny HCC. Ankilany dia io iaraha-mahita io moa ny CENI fa tsy resahana lava. Raha ny fomba fitondrana dia iny 2020 iny no be zava-maha menatra indrindra na hoe “scandale”. Nanala-baraka ny fitantanana na ny ara-bola, ny fitantanana ny Coronavirus, ny fanabeazana fa tsy hitanisa aho. Io kere any atsimo io dia fambara fa tsy voatandro ny fiainan’ireo marefo indrindra eto amin’ny tanintsika. Tsy afaka hiala amin’ny hoe ny mpitondra teo aloha ny ankehitriny amin’io satria izy izao no eo. Vahaolana no ilaina fa tsy fakana sary miaraka amin’ny kere indray no ireharehana. Lasa mandimby ny mpanjanatany izay nampiditra ny “co-chenille” indray isika, raha vao tsy mamaha an’io. Nandripaka hatramin’ny raketa izany karazam-biby izany. Na ny fanarenana mazava amin’ny taona 2021 aza tsy hita mibaribary anaty tetibola akory. Ny fanompanana izany amin’ny fambolena, fiompiana, jono, fampananan’asa ny tanora anefa izao tokony hazava ny drafitra sy tetibola aompana amin’izany, hoy hatrany ny fanaazavany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.