Politique

Commission Mixte Paritaire Voatendry ireo solontenan’ny Antenimeram-pirenena


  • Zoma 28 Aogositra 2020

Voatendry ireo solontenan’ny Antenimeram-pirenena ao anatin’ny Commission Mixte Paritaire (CMP), izay vaomiera hiara-hidinika amin’ny solontenan’ny Antenimierandoholona ny volavolan-dalana laharana 001/2020.

 

 

Solombavam-bahoaka miisa 14 no voatendry amin’izany, ka 10 avy amin’ny IRD, 2 avy amin’ny GPR ary 2 avy amin’ny TIM. Tompon-toerana ny 7 amin’ireo dia Velontsara Paul Bert, Mohamad Ahmad, Assimo Bruno, Idealson ary Rajoelina Seth ireo avy amin’ny IRD ; Randrianasolo Augustin avy amin’ny GPR ary Razara Pierre avy amin’ny TIM. Mpisolotoerana ny 7 dia Razakandrainy Dominique, Ratsimandriona Aida Hardy, Ramenason Rio Merci, Andrianambinina Djohary Lee ary Rahasimanana Paul Bert ireo avy amin’ny IRD, Satra Augustin avy amin’ny GPR ary Ratsimbazafy Alain Jean ny mpisolotoerana avy amin’ny TIM. Hametraka ny birao ireo Solombavam-bahoaka ao anaty Vaomiera ireo anio, ary raha tsy misy ny fiovana dia anio hariva ihany izy ireo dia hiara-hivory amin’ny Solontenan’ny Antenimierandoholona.


Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT