COMESA

> Tonga soa indray i Madagasikara


  • Talata 11 Febroary 2014

Miverina tsikelikely eo anivon’ny fiarahamonina iraisam-pirenena i Madagasikara. Porofon’izany ny fahatongavan’ny Sekretera jeneralin’ny Comesa Sindiso Ngwenya teto Madagasikara.

Nanasa ny filoha Hery Rajaonarimampianiana hanatrika ny fivoriamben’ny filoham-pirenena andiany faha-17 atao any Congo ny 26 sy 27 febroary izao ny tenany. Nisy koa ny fihaonany tamin’ny minisitry ny varotra Ramalason Olga. Noresahan’ny roa tonta ny fiaraha-miasa ara-barotra sy ara-toekarena. Nambaran-dramatoa minisitra fa zara raha nahazo tombony amin’ny maha mpikambana azy ao amin’ity vondrom-paritra ara-toekarena ity i Madagasikara. Misy ohatra ny tetikasa antsoina hoe MAIR izay manampy amin’ny fidirana amin’ny tsenam-paritra efa nanomboka tamin’ny taona 2007. Hangataka ny anjara volany avy amin’io tetikasa io moa isika amin’izao fananana filoha lany ara-demokratika izao. Mihevitra koa ny minisitra fa tokony hampitomboina ny isan’ny Malagasy miasa eo anivon’ny Comesa ary eto amintsika no hanaovana ny fivoriambe amin’ny taona 2016. Maniry famatsiam-bola manampy amin’ny fampiharana ny “Zone de libre échange” izany hoe fifanakalozana malalaka eo amin’ny samy firenena mpikambana koa ny tenany. Mahatratra 50 tapitrisa dolara na izany aza ny entana naondrana tamin’ny Comesa tamin’ny 2013 ka anisan’izany ny dite, kafe, siramamy, ny zava-masiaka isan-karazany.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT