Manahy ny hahazo daka ambadika avy amin’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana na CES ireo kandidŕ solombavambahoaka mitambatra anaty «Collectif des candidats».
Maromaro izy ireo no nanangana azy io manerana ny Nosy ary singanina amin’ireny ry zareo avy any Mananjary izay nahatratra 10 be izao ireo nitambatra nitondra niaraka ny fitorian-dry zareo hanafoanana ny fifidianana tany amin’ity Distrika iray any Vatovavy Fitovinany ity. Mbola averinay, hoy ny solontenan’izy ireo niakatra manokana aty Antananarivo hanara-maso akaiky ity toe-drarahara ity, fa tsy handany andro amin’ny fitoriana izahay raha nandeha tamin’ny rariny sy hitsiny iny fifidianana iny fa noho izy io feno halatra ary anananay porofo mivaingana avokoa dia mijoro izahay hiaro ny fahamarinana sy ny tena safidim-bahoaka marina. « Hoentina ho aiza ity firenena ity raha halatra sy ranomasom-bahoaka no hidedahan’ny sasany hanao lalàna eny Tsimbazaza ? » , hoy izy ireo. Mahagaga raha zaza nahazo tso-drano matanjaka avy amin’ny raiamandreny ho tompon’ny taona 2000 no handraraka ilo mby an-doha ka dieny ety am-piandohan’ny fandraisany andraikitra dia efa hamita-tena sy hamita-bahoaka ary hamitaka tanteraka ny firenena.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.