Politique

« Collectif des candidats » Boriborintany faha-2 Namoaka fanambarana iombonana teny Tsiadana


  • Alakamisy 23 Mey 2019

Noho ny fisian’ny fikononkononana hitaterana olona avy amin’ny faritra ivelan’ny boriborintany faha-2 misy azy ireo ka kasaina hampifidianana ao amin’ity fari-pifidianana ity amin’ny andron’ny 27

 

 

mey ho avy izao nefa navadika ho fitaomana olona hipetraka eny anivon’ny fokontany ao amin’ity boriborintany ity indray sy ny fikenonkenonana  hampiasana  kara-panondro hosoka be dia be izay misy ny sarin’ny olona mitondra azy tokoa nefa anarana samihafa no ao anatiny, amin’io fifidianana io ihany ary  mbola ao amin’ity  boriborintany ity ihany koa sy ny fisian’ny tsindry sy ramatahora isan-tsokajiny mahazo an’ireo delegen’ny  biraom-pifidianana sy ny fanesorana filoham-pokontany maro ao amin’ity boriborintany ity  izay tsy mety mandray baiko avy amin’ny mpitondra ambony, no antony  namoahan’ny  “Collectif des candidats” ao amin’ny Boriborintany faha-2 ahitana olona mihoatra ny 7 fanambarana iombonana teny Tsiadana omaly alarobia 22 mey izay nilaza fa : « mampitandrina an’ireo izay alaim-panahy hanao an’ireo toe-javatra voatanisa ireo ry zareo fa tsy handefitra mihitsy amin’izay tratra eo satria nambarany fa manana paikady matotra hanaraha-maso an’izany izy ireo. Basy atifi-kavana ny anay, hoy izy ireo ka harangaranga avy hatrany. »

 

Ntsoavina Evariste

            

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT