Taorian’ny teny amin’ny antenimieram-pirenena nentina nanapahana ny fomba hitondrana ny lahadinika ao anatin’ilay “Commission Mixte Paritaire” na CMP hiantsoroka ny fandaniana ilay volovalan-dalàna telo nakambana ho tolo-dalàna iray mitondra ny laharana 001/2020,
iray nitohy tetsy amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona omaly ny fihaonana. Tsiahivina fa ny mahakasika ny antenimierandoholona, ny fitsapan-kevi-bahoaka, ary ny harena ankibon’ny tany ireo natambatra ireo, ary efa nankatoavin’ny Filoham-pirenena tamin’ny alalan’ny didy hitsivolana. Tsy afaka mandinika mihitsy io volavolana tolo-dalàna io ny CMP, noho ny tsy fahafahana mitondra fanintsiana na “amendement” amin’ny maha “ratification” na fandaniana ny zavatra atao, hoy ny Loholona Olivier Rakotovazaha, Filohan’ny CMP avy amin’ny antenimierandoholona. Ny manahirana ihany koa dia nakambana ao anaty tolo-dalàna iray ny lalàna fehizoro roa sy ny lalàna tsotra. Ny lalàna fehezoro, dia voafehin’ny andininy faha-89 amin’ny lalàmpanorenana tsy mila fananganana CMP. Ny lalàna tsotra dia voafehin’ny lalàna 96 amin’ny, ary io no mitaky CMP. Rehefa nojerena, dia be dia be ny zavatra tsy mazava. Notapahana araka izany, fa tsy mahefa, ary tsy afaka mandinika ilay volavolana teolo-dalàna ny CMP.
NIVOAKA IREO DEPIOTE MPANOHANA FITONDRANA
Nivoaka ny trano ireo depiote mpanohana fitondrana noho ny tsy fahafaham-po, ka niroso tamin’ny tsangan-tànana ireo 8 sisa tavela namoaka ny fehin-kevitra, fa tsy mahefa amin’ny fandinihana sy fampandaniana an’io. 8 amin’ny mpikambana 14 no nandany ny fitanana an-tsoratra farany. Nilaza ny depiote mpanohana ny fitondrana, fa izy ireo no hampandany azy rehefa tsy misy ny marimarimaritra iraisana. Tsy afaka mandefa an’io mankany, raha tsy ny fanapahan-kevitry ny kaomisionina, ary 8 rahateo no nijanona, ary 6 no nivoaka tamin’ny mpikamban’ny CMP, hoy kosa ny loholona Olivier Rakotovazaha. Lasa miendrika krizin’andrim-panjakana noho izany ity raharaha ity, izay mazava fa hanaratsy endrika ny fitondrana, raha hanao amboletra hampandany azy, taorian’ny tsy fahombiazana teo anivon’ny CMP.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.