“Eto amintsika dia “régime présidentiel”, ary ny zavatra mifanandrina eto amin’ny firenena natolotra hofidiana dia ny IEM sy ny Manifesto.
Raha ny hevitra avy avy amiko, ny ara-drariny ara-demokratika (légitimité démocratique” ho an’ny mpitondra sy ny mpanohitra, dia tokony hifanahantsahana”, hoy ny mpahay lalàna Atoa Clément Jaona tao amina fahitalavitra tsy miankina iray omaly. Samy nahazo 2 tapitrisa mahery tamin'ny fifidianana Filoha farany. Ara-drariny kokoa ny Lehiben’ny mpanohitra, raha sintonina avy amin’io fifidianana filoha farany io, izany hoe Atoa Marc Ravalomanana no Lehiben’ny mpanohitra, raha zohiana ny fanehoen-kevitr’ity mpahay lalàna ity. Heno hoe tsy hanao ny TIM, ka azo atao ny tsy mametraka olona eo. Tsy olona nanohana ny IEM no atao eo. Manoloana ny soso-kevitra ataon’ireo depiote tsy miankina sasany, dia tsy lojika hoe mpanohana IEM nandeha tamin’ny tsy miankina no hiditra amin’izany. Mpanohana ny IEM izy sa Manifesto? Hanohitra IEM ve izany izy sa hivadika Manifesto? hoy ity mpahay lalàna ity. Mitovitovy amin’io ny efa nambaran’ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Atoa Rina Randriamasinoro ny herinandro lasa teo, fa ara-drariny raha ny Filohan’ny RMDM Atoa Marc Ravalomanana no Lehiben’ny mpanohitra, ary tsy hametraka olona ao Tsimbazaza izy ireo. Ny TIM izay mitaky hatrany ny hampiharana ny lalàna 2011-013 izay efa nankatoavin’ny HCC tamin’izany, saingy tsipahin’ny ankehitriny, hoy ny fanamarihana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.