Rehefa miteny ny lalàna hoe tsy mahazo manao fivoriana tsy ara-potoana mihoatra ny in-dray mandeha isam-bolana ny filankevitra monisipaly dia izay izany,
hoy ny mpanolontsain’ny tananan’Antananarivo, Clémence Raharinirina. Efa nisy ny fivoriana ny 2 sy 3 ary 4 jona dia aza mamorona fivoriana 14 jona intsony, hoy izy! Rehefa notoherinay dia tadiavina ahemotra ny 18 jona indray. Aza mamorona dia aza manao letrezana fa ianareo ihany no milaza fa mila arahana sy hajaina ny lalàna! Tsy hiray tsikombakomba amin’ny fanitsakitsahanareo ny lalàna na hotorianareo in-jato na koa handefasanareo kaonty fako marobe hanaratsy ahy aza aho. Enga anie ianao andriamatoa prefe mba tsy hiray tsikombakomba amin’izao fanitsakitsahana mibaribary ny lalàna velona izao, hoy hatrany ity mpanolontsain’ny tanàna ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.