Politique

Clémence Raharinirina “ Tsy hampihemotra anay ny resaka fitsarana”


  • Talata 28 Jona 2022

Hotsaraina anio talata 28 jona 2022 avokoa ireo raharaham-pitsarana roa samihafa izay mahakasika mpanolontsain'ny tanànan'Antananarivo.

Voalohany ny Clémence Raharinirina, izay notorian'ny Fanjakana ho namory olona tsy nahazoana alalana sy nanohintohina ny filaminana anatin'ny firenena (Atteinte à la sûreté intérieure de l'Etat) nisamborina azy teny Ankorondrano ny 09 aprily lasa teo. Efa nihemotra in-droa io raharaha io ka asa hoe: hanao ahoana ny anio? Ny raharaham-pitsarana faharoa kosa dia ny fitoriana mpanolotsaina 07 mianadahy ka lohalisitra amin'izany i Lily Rafaralahy miampy mpanolotsaina 6 hafa lazaina ho nanala baraka tamin'ny tambazotra Facebook sy fahitalavitra. Mbola tafiditra amin'io ihany koa i Clémence Raharinirina ka ny mpanolontsain'ny tanàna Rtoa Lalatiana Ravololomanana sy Atoa Balita avy amin’ny Komba no mpitory, mifandraika amin’ny raharaha SMA (Société Municipale d’Hygiène) sy SMGD (Société Municipale de Gestion Digitale) ny fitoriana. « Izahay raha notoriana ary efa in-tsivy dia vonona foana raha izay no fantatry ny sasany fa mety kanefa kosa fanontaniana no apetraka hoe: ny fitsarana ve izany dia natao hanenjehana mpanolontsain'ny tanàna satria izay no sary hita, izahay mba nametraka fitoriana ihany koa teny anivon'ny Fitsarana 20 andro lasa izay fa mbola dia mbola miandry hoe: inona no tohin'ny fitoriana ny ben'ny tanàna Naina Andriantsitohaina? hoy Rtoa Clémence Raharinirina. Tetsy ankilany, vao nipetraka iny fitoriana iny dia nivoaka ny karazana lalàna toa manome zo ny ben'ny tanàna tsy ho azo henjehina na "impunité" izay nolanian'ny depiote satria maro an'isa ny volomboasary ka lojika hoe: izay alefa ao lany. Notsiahivin'i Clémence Raharinirina kosa fa tsy mihatra amin'ny raharaha talohan'ny nivoahany ny lalàna (non rétroactif) sao hisy ny fialokalofana amin'io, ka mino izahay fa tsy hanaiky izany rahateo ny fitsarana, hoy i Clémence Raharinirina. "Mba miandry ihany koa izahay hoe: mba asehoy ho hitan'ny olona ireo olona ny fitsarana ireo rehetra mahita fa misy fandikan-dalàna be dia be fa tsy ny mpanolontsaina foana taritaritina eny amin'ny Fitsarana satria ny lalàna natao ho an'ny olon-drehetra, ary rehefa tsaraina tsy voatery hoe meloka", hoy hatrany izy eo anatrehan’ny fahatsapana mizana tsindrian’ila. Isan’ireny ny mbola tsy nanitsahan’ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina ny fitsarana na misy aza ny fitoriana azy, ary maro ihany koa ny raharaha maloto mahasaringotra mpitondra.
“TSY HIHEMOTRA IZAHAY”
Naneho kosa Rtoa Lilie Rafaralahy fa na taritarihina eny amin'ny Fitsarana aza dia mahasahy mijoro sy miteny. Nohitrikitrihiny fa heloka tsy nataon'izy ireo no hitoriana azy 7, ka tsy izany no hanakana azy ireo tsy hijoro. Ny miseho aminay izao no antsoina hoe: "représailles" saingy tsy mihemotra izahay, ary mino fa ao an-damosinay ny vahoaka d'Antananarivo, hoy i Lilie Rafaralahy, izay nanentana ny olona ho avy hanotrona azy ireo anio.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT