Isan’ireo lohahevitra dinihina ao anatin’ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Mpanolontsaina Monisipalin’ny Kaominina Antananarivo ny momba ny SMGD (Société Municipale de Gestion Digitale) mitantana ny Parking sy ny resaka dosie.
Misy ny fakana vola iarahany amin’ny kaominina, ka isan’ny mimenomenona ny eny amin’ny Pochard, hoy ny fanamarihana. Nilaza i Clémence Raharinirina sy Lilie Rafaralahy samy Mpanolontsain’ny tanàna omaly, fa tsy naka ny fankatoavan’ny Filankevitry Monisipaly io SMGD io, fa fifanarahana na “Convention” no nentina izay mamariparitra ny fitsinjarana ara-bola izay ao anatin’ilay orinasa, ka misy ny miditra amin’ny kaominina ary misy mijanona amin’ny SMGD kanefa lazaina fa orinasa monisipaly. Mimenomenona amin’ny “taquet d’arrêt” sy ny lamandy izay alainy ihany koa ny mponina. Ankehitriny vao tapa-kevitra fa haverina hodinihina amin’ny filankevitra monisipaly. Ahoana no hanekena fa 120 000Ar ny “taquet d’arrêt” ka aiza no hananan’ny olona an’izany? Isan’ny antony nitakiana ny fanafoanana ny Easy Park ny tahaka izao, hoy ny fampahatsiavina. Miady ho an’ny mponina amin’ny alalan’ny alalan’ny lalan-tsaina fa tsy natao ho fitadiavam-bola sy fanaovana bizina ny mponin’Antananarivo, ary fandaminana ny tanàna no tokony hapetraka, hoy hatrany izy ireo. Ekena, hoy izy ireo, fa tsy manam-bola ny kaominina fa kosa tsy natao hanararaotana ny mponina ny rafitra izay misy. Adikan’izy ireo ho fandresena ny famerenana hodinihina satria midika izany fa manaiky izany ny mpanatanteraka fa misy zavatra tsy mifanaraka amin’ny fiainam-bahoaka ao. Isan’ny fanamarihana ihany koa ny resaka fiaraha-miasa amin’ny orinasa Axian izay hita foana saingy misy tsy mazava sy mangaraharaha, ary kiantranoantrano. Misy ny tetikasa fanamorana ny fampidirana rano, saingy tsapanay ho mbola maivana ny fanazavan’ny Talen’ny Urbanisme. Tena fanamorana ve raha mety hasarotina, ohatra, ny taratasy ? Hoy ireo mpanolontsaina monisipaly ireo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.