Mazava izao fa ny ben'ny tanànan'Antananarivo lany tamin'ny anaran’ny vondrona IRK, Franck Michel Niaina Andriantsitohaina, no mitory ny mpanolotsaina IRK, Clémence Raharinirina, ety amin’ny “service central de lutte contre la cybercriminalité”,
hoy ity mpanolontsaina voalaza teo ity nandritry ny fotoana nanaovana fanadihadiana azy teny Anosy ny sabotsy teo. Fanelezana vaovao tsy marina sy fanalam-baraka no antony. Tsy hiteny betsaka aho, hoy hatrany ny tenany, fa aleo isika rehetra no hitsara. Hoy fotsiny aho hoe ny marina tsy mba maty, hoy izy nanamafy. Hita ho tapaka tanteraka mihitsy, araka izany, ny tady eo amin’ny ben’ny tanàna sy ity mpanolontsainy ity rehefa nihenjan-droa nandritry ny volana maro. Ny ben’ny tanàna moa izay nilaza nisy fotoana hoe ataovy izay hataonareo amin’ny haino aman-jery kinanjo izao nifampitory izao ihany ny roa tonta. Ho hita eo, araka izany, ny tohiny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.