Politique

Clémence Raharinirina « Hotorianay ny Ben’ny tanàna »


  • Talata 10 Novambra 2020

Nampanantsoina fanindroany teny amin’ny Sampan-draharaha misahana ny heloka an’habaka na ny “cybercriminalité” i Clémence Raharinirina Mpanolontsain’ny CUA taorian’ny niantsoana azy ny sabotsy teo.

 

 

 Notorian’ny ben’ny tanàna Atoa Naina Andriantsitohaina izy. Fanalam-baraka sy famoahana vaovao diso efa tamin’ny volana mey no hanenjehana azy. Fandaharana tamina fahitalavitra iray ny 16 mey ny iray. Nahoana no aty amin’ny Novambra vao hoe misy fitoriana? hoy izy. Voafehiko ary haiko ny serasera, ary tamin’ny mey no voalaza fa nisian’izany ka nahoana no izao no mitory. Azony natao ny nanao setrin-dahatsoratra na “droit de réponse” tamin’ilay haino aman-kery. Fa maninona no hoe aty amin’ny Cybercriminalité » ? Nolazaina fa nanala baraka sy namoaka vaovao tsy marina aho tamin’ny fivoriana nataonay ao anatin’ny taxi ny 30 mey, ary nisy ny fandraisana feo antsokosoka ahy. Alalana avy aiza sy zo avy aiza no ahafahan’ny ben’ny tanàna maniraka olona handray feo ny fivorian’ny taxi ? hoy hatrany izy. Nisy mpanolontsaina anefa tao amin’ny CUA niady tamin’ny polisy, ary nalainy feo, saingy ny ben’ny tanàna no nilaza fa tsy mety izany maka feo olona izany. Izao dia izy no mitory ahy amin’ny fakana feo tsy nahazoana alalana tamiko, ka azonay toriana amin’izany izy. Nilaza hitory ny ben’ny tanàna ity Mpanolontsaina ity. Naneho fa manohana azy hatramin’ny farany ireo ao anatin’ny taxi. Raha ny vaovao farany dia hiakatra fampanoavana anio 10 novambra amin’ny 09 ora i Clémence Raharinirina.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT