Natao izay naharesy anay maro an’isa tamin’ny fandaniana ny lalàna mifehy ny tetibolan’ny CUA 2021.
Hatramin’izay izahay mahazo mivoaka sy miditra, fa omaly nidiana tao ny mpanolotsaina nentina nandaniana an’iny, hoy ny mpanolontsain’ny CUA Clémence Raharinirina tamina fahitalavitra iray. Resy foana, tsy afaka mitondra fanitsiana mihitsy. Tsy misy azo natao, indrindra tamin’ny fotoana nisy mpanolotsain’ny TIM izay nisy namoy ny ainy, ka nihena. Tena nandihizan’ny IRK, ary izay nisy ny filohan’ny filankevitra monisipaly (PCM) no mandresy. Nisy fanapahan-kevitra efa nolanian’ny mpanolotsaina, toy ny tsy handravana tsena, fa tonga ihany ny milina mandrava. Momba ny tsena, ny MBS,… izay zavatra notapahan’ny mpanolotsaina, kanefa hitsakitsahina. Ny birao maharitra no tena manome vahana ny tsy fanarahan-dalàna. Nanenina aho satria izaho no nanolotra io PCM io, izy no nanantona ahy. Izaho izao no nanoratra ny kabariny, fa hamerina ny hasin’ny mpanolotsaina. Nitory eny amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana izahay satria betsaka ny tsy fanajana ny mpanolotsaina, ary voahitsakitsaka ny hasinay, hoy i Clémence Raharinirina. Sady torianay izy no takianay ny fanesorana azy 4 mirahalahy amin’ny toerany. Misy foana ny fampiasana “mic mac” ataon’ireo. Ny 9 oktobra dia hivory indray, kanefa tsy ao anaty lahadinika ny fangatahana ny fanesorana ny PCM. Efa misy ny fifampiresahana eo amin’ireo vondrona telo, dia ny TIM, Komba, ary i Clémence, ka ny Komba aloha no eritreretina hapetraka eo, hoy i Clémence Raharinirina
Tsy hihemotra izahay, ary diavolan-ko lava, kilalao mbola ho ela. Tsy te ho tonga amin’ny hoe ny maro an’isa no sakana, fa raha hatao letrezana dia tsy mety izany, ka hijoro, hitambatra, haneho firaisan-kiana izahay, hoy ity mpanolotsaina ity. Indraindray ny ben’ny tanàna manao vava tafahoatra, ary efa vita vaksiny amin’ny fanaovana vava aho, hoy i Clémence Raharinirina, izay naneho fa tamin’ny propagandy no nifampiresahan’izy ireo farany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.