Nandoka fatratra ny Filoham-pirenena sy ny Fitondram-panjakana ny Filohan’ny Antenimiaram-pirenena Rtoa Christine Razanamahasoa omaly, nandritra ny fanokafana ny fivoriana ara-potoana faharoan’io andrim-anjakana io.
« Hita tato ho ato fa mirarakopana ny fotodrafitrasa vita sy notokanana. Voamarina fa tsy misy intsony ny distrika adino. Mirarakopana toy izany ihany koa anefa ny fanakianana, fa amin’ny alalan’ny asa fanasoavana sy fampandrosoana araka ny tenin’ny Filoha no hamalian’ny fitondrana ireny fanaratsiana ireny”, hoy izy. Tsy nisalasala moa ity depiote ity nilaza fa tsy mitsahatra amin’ny fandrakofana fotodrafitrasa ho an’ny taranaka anefa ny fitondrana, fa voajery ihany koa ny sosialim-bahoaka. Nambarany, fa raha mijery ny zava-bita sy ny fomba atao amin’ny fijery tsy mitanila, dia tsy mitombina ireny fanakianana ireny. Naneho mihitsy moa ity Filohana andrim-panjakana ity fa sahy milaza izy ireo hoe: “tsy ho tana intsony io fampandrosoana” io, ary manao “vitesse TGV”. Tsy miasa jamba rafozana ny fitondrana tarihin’ny Filoha, fa tsapan’ny vahoaka sy ny antenimieram-pirenena tokoa ny antony hilàna azy. Ny ekipan’ny Filoha dia aoka hisikina ihany koa, mahatokia ato izahay ato amin’ny antenimieram-pirenena hitazona anao. Raha tarafina amin’io kabarin-dRtoa Christine Razanamahasoa io, dia tena manga ny lanitra, mihazakazaka tsy tana ny fandrosoana, mihazakazaka ny sosialim-bahoaka sy ny toekarena, ary tena tsy misy adino. Asa izany tokoa ve ny zava-misy eto. Aiza ilay hoe: hofehezina ao anatin’ny 3 andro ny vidin’entana ilaina andavanandro PPN (Produits de Première Necessité) nolazain’ny Filoha Rajoelina tamin’ny 8 aogositra? Mby aiza ilay hoe: hanafatra sambo 20 mitondra PPN ny 27 septambra izay nolazaina fa mariky ny fandrosoana? Sao mba tonga amin’ilay teniny hoe: manao toy ny mason’omby maty, mijery ihany fa tsy mahita ity fandokandokafana nataon’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena ity ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.