Politique

Christine Razanamahasoa Tsy hanaiky lembenana amin` ny fanesorana azy


  • Alakamisy 11 Jona 2020

“Amin` ny maha solombavambahoaka ahy, lany tamin` ny 2è “mandat” aho. Voafaritra fa efa tsy maintsy mivonona hatrany misedra amin` izany

 

 

 

manalokaloka sy manontanona mandrakariva ny fanesorana ny mpikambana eo anivon` ny birao maharitra izany indrindra ny filohan` ny Antenimieram-pirenena” hoy Christine Razanamahasoa, filohan` ny Antenimieram-pirenena (PAN) raha nanontaniana ny heviny mahakasika ny feo miely fa misy fikasana hanonganana azy. Namafisny moa fa zavatra iainana izany ho an` izay mpitarika andrimpanjakana. Tsy hanaiky lembenana kosa izy ary nosoritany fa misy fepetra mikasika ny fanatanterahana ny fanesorana azy. “Tsy misy moa fanesorana hanaiky hevitry ny olom-bitsy na hevitr’olon-tokana na asan` ny olom-bitsy fa ny maro an` isa ihany no manapa-kevitra eto amin` ity andrimpanjakana ity. Antony dia miasa ny lalao demokratika. Resaka fanambarana fotsiny izany” . Nambarany hatrany fa ny fikonokonona toy izany dia tsy ho tanteraka raha tsy feno ny fepetra rehetra. “Apetraka eo amin`ny birao maharitra ny antontan-taratasy ka izay vao alefa eny amin` ny fivoriambe ary izay ihany koa vao miroso amin` ny fifidianana. Hatramin` izao aza mbola tsy tonga eny amin` ny antenimieram-pirenena izany.”

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT