Politique

Christine Razanamahasoa Nihaona tamin’ny SGP teo aloha sy ny vaovao


  • Talata 05 Aprily 2022

Araka ny tatitra, noraisin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny Sekretera Jeneraly teo aloha sy vaovao eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika,

 Andriamatoa Ramonjavelo Valéry sy Ramatoa Pelandroy Espérance, taorian’ny fifamindram-pahefana teo amin’ny roa tonta. Fitsidihana ara-pahalalam-pomba no nataon’izy ireo amin’ny maha- andrimpanjakana lehibe ny Antenimieram-pirenena. Fiarahabana, firarian-tsoa ary fitsofan-drano hahaleo hahalasana amin’ny andraikitra sahanina no nasetrin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena azy ireo. Fitsidihana fanaovam-beloma izany ny an’ny ankilany, ary noho ny fahatongavana amin’ny toerana kosa ny an’ny andaniny, raha halalinina amin’ny zava-misy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT