Politique

Christine Razanamahasoa Nampitandrina ireo Depiote TIM


  • Talata 02 Febroary 2021

Nandefa taratasy fampahatsiahivana ny fitsipika mifehy ny solombavambahoaka

 

 

 

 

any amin'ireo solombavambahoaka tsirairay ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa omaly 01 febroary. Azo antoka, fa ireo depiote avy amin’ny mpanohitra no tiana horesahina amin’io. Amin'ny maha mpitandro ny fanajana ny fitsipika sy ny fizotran'ny asa eo anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tenany sy fitandroana ny endrika fahitana ny Andrim-panjakana misy azy ireo dia tsy maintsy mandray andraikitra izy manoloana ireo fitarainana sy fanakianana maro mahakasika ny Solombavam-bahoaka, ka misarika ny sain'ny solombavambahoaka fa misitraka ny zo tsy azo enjehina omen'ny Lalàmpanorenana ny solombavambahoaka, saingy ny fanomezana izany dia tsy midika ho fahafahan'ny Solombavambahoaka handika lalàna, na koa hahasakana azy tsy ho henjehina eo anoloan'ny fitsarana amin'izay fihetsika tsy ara-dalàna mety hataony ivelan'ny andraikitra maha-parlemantera azy, hoy io hafatra io. Ekeny amin'ny maha-solombavambahoaka, solontenam-bahoaka, ny maha-zava-dehibe ny fanaovana fampahafantarana, ny fanehoana ny fomba fijery tsy mitovy isan-karazany. Ny fahalalàna miteny izay ananana fahefana dia voafetra amin'ny andraikitra maha-parlemantera, toy ny fandraisam-pitenenanana eny amin'ny fivoriam-be, eny anivon'ny vaomiera na eny amin'ireo rafitra hafa ao amin'ny Antenimiera, ny latsa-bato, ny tatitra, ny tolo-dalàna, ny fanitsiana ary ny fanontaniana am-bava na an-tsoratra, raha ny voalazan-dRtoa Christine Razanamahasoa.

TSY VOASAHAN’NY ZO TSY HO HENJEHINA

 Ny teny atao ivelan'ireo andraikitra ny parlemantera ireo na mandritra ny famoriam-bahoaka na eny amin'ny haino aman-jery, dia tsy voasahan'ny zo tsy ho henjehina (immunité parlementaire), noho izany dia mety hahavoahenjika eo anatrehan'ny fitsaràna. Toy izany ny teny ratsy, manala baràka sy manendrikendrika ny mpitondra fanjakana, ny teniteny foana sy ny filazana zavatra tsy misy porofo mivaingana, ohatra ny fanambarana fa misy vola 8 miliara dolara avy amin'ny fikambanana mpampihorohoro Al-Qaida entina hamatsiana ny Programme Emergence Madagascar, ny fanaovana "incitation à la haine", izay heloka faizin'ny Fehezan-dalàm-pamaizana Malagasy, hoy hatrany i Christine Razanamahasoa. Mahatoky ny fahatsiarovan-tena ny solombavambahoaka tsirairay, hoy io hafatra miantefa amin’ny depiote io. Azo adika io fampitandremana sy fampiomanana ny mety hamelezana ireo depiote avy amin’ny TIM io.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT