Nisokatra tamin`ny fomba ofisialy omaly ny fivoriana tsy ara-potoana eo amin`ny solombavambahoaka eny anivon`ny Antenimieram-pirenena.
Tsotra ny tanjona kendrena ao anatin`izao dia ny fanohizana ny raharaham-pirenena mba tsy hisian`ny fanakantsakanana amin`ny fampandehanan-draharaha eny anivon`ny andrimpanjakana, hoy ny filohany, Christine Razanamahasoa nandritra ny lahateniny. Adidin`ny andrim-panjakana tsirairay ny manaja lalàna velona eto amin`ny firenena. Tokony ho voalohany amin`ny fanajàna izany ny andrimpanjakana. Misy anefa ireo hery mampikatso ny asa fanaovana lalàna. Fihetsika izay mifanohitra amin`ny and. faha 96 ao amin`ny lalàmpanorenana izay mandidy ny antenimiera roa tonta hanefa ny fivezivezen`ny lalàna. Notsiahiviny fa tolo-dalàna miisa dimy no mikatso eny amin`ny sénat ary volavolan-dalana telo mbola taraiky any. Noho izany, miantso ny Antenimierandoholona ny PAN mba hanaja hatrany ny “navette”. Nahoana, hoy ihany izy, nogiazana ny lalàna mahakasika ny fanoherana kanefa io no kitro hamarana izany hoe tany mandala ny demokrasia. Ny tsirairay dia samy tompon’andraikitra amin`ny asany. Mahakasika ireo didy hitsivolana navoakan`ny filoham-pirenena indray dia fombafomba fotsiny ny zavatra hataon`ny depiote fa tsy hiadian-kevitra. Antony, tsy misy andalana na dia iray akory ao amin`ny lalàmpanorenana ny amin`ny fanerena hoe tsy maintsy mandala fankatoavana ny didy hitsivolana nataon`ny filoham-pirenena. Teboka maromaro moa no voafaritra ao anatin`ny lahadinika atrehin`ireo solombavambahoaka ao anatin` ny 12 andro.
Nalalaka ny fanaraha-maso
Niteraka resabe teny anivon`ny fiarahamonina ny tatitra navoakan`ny CENI manoloana ny fifidianana hosoka, ny fampidirana anarana maromaro tao anatin`ny lisi-pifidianana. Nisy antoko nilaza hatrany fa tokony hofoanana avokoa ireo fifidianana nifanesy nanomboka ny taona 2018. Nambarany fa izay antoko politika nilaza izany dia tsy manana fijery ao anatin`ny fahazavan-tsaina sady tsy maharaka izay pitsopitsony sy fizotran`ny fifidianana. Nilaza izy fa ny taona 2017 no nanokafana ny lisi-pifidianana izay nanatanterahina ny fifidianana filoham-pirenena 2018 ary nitohy tamin`ny fifidianana solombavambahoaka sy kaominaly. Nalalaka ny mpanao politika nanara-maso ny fizotran`ny fifidianana na ihany koa ireo mpisehatra iraisam-pirenena ka afaka nanatanteraka izay fanaraha-mason`ny fifidianana izay. Koa raha nisy “doublon” maninona no tsy tamin` ny taona 2017 no natao ny fanambarana ? Ny azo ambara dia mafana ny toedraharaha politika amin`izao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.