Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy omaly ny fivoriana ara-potoana faharoa amin’ity taona 2020 ity an'ireo Antenimiera roa tonta, araka ny voafaritra ao anatin` ny lalàmpanorenana ao amin`ny and. faha-75.
Nisongadina tamin'ity fihaonana voalohany ity ny fitanisàna ireo fotodrafitrasa sy tetikasa tsy maintsy ho vitaina ho fanantanterahana ny veliranon'ny Filoham-pirenena, isan'izany ny fanajariana rano ho an'ny faritra atsimon'ny nosy. Noresahina tao ihany koa ny tazomoka. Fa isany himasoana ihany koa ny fanarenana ny toekarena, indrindra tao aorian'ny fandalovan'ny valan'aretina Covid-19 teto amintsika. Nandritra ny lahateniny dia nanambara ny filohan`ny Antenimieram-pirenena (PAN) fa “hitondra any amin`ny fanatsaràna izay tena hitondra amin`ny filana ho an`ny firenena dia ilaina ny hery afovoany sy fanoherana ka mila henoina ireo” amin` ny fandrafetana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana lasitra (LFI) ho amin`ny taona 2021. Tombotsoam-pirenena tokana ihany no ho jerena amin` izany, hoy izy. Notsipihany manokana fa ny maha-solombavambahoaka dia fahefana nomen` ny vahoaka ka aoka tsy hisaraka amin`ny famolavolana ity tetibola ity. Nomarihany moa fa nisy ny “conférence budgetaire” izay nanasan`ny minisitry ny vola an`ireo depiote. Nanatrika ny fanokafana ity fivoriana ity, izay notontosaina teny amin'ny CCI Ivato, ireo mpikambana ao amin’ny governemanta. Araka ny fandaharam-potoana dia anio maraina no hivory ny birao maharitra etsy amin`ny lapan`i Tsimbazaza. Ny hariva kosa dia hivory ireo filoham-baomiera handrafitra ny fandaharam-potoana amin`izao fivoriana izao. Ny alakimisy izao kosa no ho raisina ny fanapahan-kevitra mikasika ny fandaharam-potoana izay atao eny amin`ny CCI Ivato.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.