Politique

Christine Razanamahasoa « Holanianay ny lalàna na hitsipaka aza ny loholona »


  • Alakamisy 27 Aogositra 2020

Tsy hita izay hanaovana « amendement », fa ny hoe tsipahina sa ekena no atao amin’ny fanakambanana ireo lalàna tsy misy ifandraisany ireo, raha ny fanambaran’Atoa Rivo Rakotovao omaly nandritra ny fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Antenimierandoholona.

Nisy ny fanovana izay nentina momba ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka, ny fomba fifidianana ny loholona sy ny fihodin’io andrim-panjakana io, ny fepetra novaina momba ny harena an-kibon’ny tany, ka ireo tolo-dalàna ireo no natambatra. Tsy nisafidy ny hanasaraka izany ny fanjakana na nangataka izany aza ny loholona, hoy i Rivo Rakotovao. Anton’izany anefa, hoy izy , ny mba hisian’ny adihevitra mialohan’ny hitondrana fehin-kevitra satria tsy misy hifandraisany ireo lalàna miisa telo. Efa nitsipaka izany lalàna izany moa ny loholona. Sambany teo amin’ny tantara ny fisian’ny « commission mixte paritaire » na dia mifanaraka amin’ny lalàm-panorenena. Solontena 7 avy ho an’ny antenimiera roa tonta no handrafitra azy io. Hisy Filoha, Filoha lefitra, Mpampaka-teny. Raha tsy misy ny marimaritra iraisana, dia ny antenimieram-pirenena no tompon’ny teny farany, raha ny fanazavan’ny Filohan’ny antenimieram-pirenena Rtoa Christine Razanamahasoa. Efa nambaran’ny HCC fa manaja ny lalàmpanorenana io, ka marimarimaritra iraisana no tadiavina, fa rehefa tsy misy sy mihenjana ny tady dia ny antenimieram-pirenena no hampandany azy, hoy ity Filohana andrim-panjakana ity.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT