Politique

Christine Razanamahasoa Efa manao firesaka mpanohitra ?


  • Alatsinainy 17 Janoary 2022

Raha nilaza Rtoa Christine Razanamahasoa Filohan’ny Antenimierampirenena tany aloha, fa mihazakazaka ny fampandrosoana, ary tena manao “Vitesse TGV”,

 dia toa lasa manao firesaka mpanohitra indray ny tenany ankehitriny. Manana kasikety roa ity Filohana andrim-panjakana ity amin’ny maha depiote azy, izay natao hanara-maso ny asan’ny mpanatanteraka, saingy tsy azo hadinoina ihany koa ny maha olon’ny fitondrana azy, ary lojika ny fiarovany ny antokony sy ny fitondrana misy azy. Izy izay mpandrindra ny IRD, natao hanampy sy hanohana ny governemanta indray no toa mitrongy ao anatiny, ka isan’izany ny resaka fiakaran’ny vidim-piainana kanefa isan’ny tompon’andraikitra feno izy sy ny andrim-panjakana tarihiny. Tsy takona hafenina ny fiakaran’ny vidim-piainana, saingy toa mitady ho lasa fakana isa ho an’ny olon’ny fitondrana sasany raha zohiana amin’io kanefa samy tompon’andraikitra amin’ny fifehezana izany. Hatramin’izay rahateo no tsy hita taratra izany fisaraham-pahefana ho an’ny mpanao lalàna sy mpanatanteraka izany, saingy toa misy manomboka manala tena sy mitady izay hanilihana ny rihitra ny sasany rehefa mafy ny ady. Raha misy fiakaran'ny vidim-piainana dia mila tadidiana fa manana anjara be amin'izany ny Andrim-panjakana tarihin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, izay mandany ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana dia ny LFI (Loi de Finances Initiale) sy ny LFR (Loi de Finances Rectificative). Isan’ny mety ho azo dinihina ahafahana mifehy an’io, ohatra, ny hetra sy haba alaina amin’ny entana ilaina andavanandro, ny tetibola atokana amin’ny resaka sosialy sy vidim-piainana,… fa moa tena nohalalinina izany? Lojika kokoa raha tokony hiaro fa tsy hanontsana Fanjakana Rtoa Christine Razanamahasoa, ny Filoham-pirenena rahateo no nanendry ireo mpikamban’ny governemanta, ka dia efa mila mailo izany I Andry Rajoelina fa Rtoa Razanamahasoa mihitsy izao no toa efa manohitra azy avy ao anatiny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Michel Razafindrandriatsimaniry
  • Zoma 05 Jona 2026

Manentana ireo Olomboatendry

  • Vovonana RALI
  • Zoma 05 Jona 2026

"Tsy misy fotoana ho an'ny adilahy,

  • Antoko politika Les Phares
  • Zoma 05 Jona 2026

«Efa misy dingana maro vita

  • Afera Rajerison, HCC, resaka fanakorontanana,…
  • Zoma 05 Jona 2026

Hangotraka ny fanenjehana,

  • Eliana Bezaza
  • Alakamisy 04 Jona 2026

"Miverina amin’ny fototra niorenany ny Repoblika"

  • Nikaon-doha
  • Alakamisy 04 Jona 2026

ny Filoha, FFKM, Praiminisitra,…

Hijery ny tohiny
FTT