Mitombo miandalana ny herin’ny fanoherana ary fahombiazana ny dianay tany Antsirabe, hoy ny mpanao politika mivondrona ao amin’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, Christian Tabera.
Tsy hoe tsy nahomby ny teo aloha fa iny no fidinana an-dalambe voalohany izay tsy avy aminay mpanohitra fa avy amin’ny fitondrana tao izay nanakana anay tsy hiditra tao amin’ny Magro. Toy ny hoe olona hiditra ao an-tranony hanao tatitra amin’ny vady aman-janany ilay izy dia sakanana raha atao sarisary anefa, hoy ny fanazavany. Mampirisika ny mpitondra izahay hanao toy ireny hatrany raha izay no tadiaviny. Hita tsara izao fa mitombo ny mpanohitra. Manentana ny vahoaka rehetra fa hiditra tsy ho ela eo Ambohijatovo izay kianjan’ny demokrasia hatrizay ny hetsika, hoy hatrany ny tenany. Fiaingana ekonomika no resahana dia efa ho 1 volana izany no nanidiana ny Triple A. Tsy fotoanan’ny fifanenjehana intsony izao ary aza mila raharaha toy ny Rainizafilemena isika mpitondra. Tsy izahay no miketrika fanonganam-panjakana fa ianareo ihany no mifanongana anaty. Porofon’izany ny sasa lamba maloto mivoaka ety ivelan’ny olom-boatendry, Rinah Rakotomanga, sy ny olom-boafidy, Brunelle Razafitsiandraofa. Isaorako ity depiote ity, hoy izy, fa tia fihavanana ary na dia nanaovana antsojay aza dia nametraka diplaomasia hatrany. Mahazo tsindry aloka amin’ny lehiben’ny serasera indray izy ka miteny ny filoham-pirenena sy ny forongony aho, hoy izy, hoe aza tara mamerina namana toy ireny fa isan’ny navita dingana lehibe naha tafakatra anao teo io depiote io. Ny mpitondra ihany no hifanongana eo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.