Nihaona tamin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena (PAN) Razanamahasoa Christine ny solontenan` ny PNUD miasa sy monina eto Madagasikara, Marie Dimond, omaly teny amin` ny lapan’ny Tsimbazaza.
Nivoitra nandritra izany ny momba ny vina entina mampandroso ny Antenimieram-pirenena. Maro tokoa ny fiaraha-miasa efa niarahana tamin’ny PNUD sy ireo mbola kasaina atao, anisan’izany ireo fanampiana ara-teknika amin’ny lafiny informatika, fanamafisana ny fahaiza-manao ho an’ny solombavambahoaka sy ny Mpiasan’ny Antenimieram-pirenena, ny fifampizarana traikefa mikasika ny tombana ny politikam-panjakana sns... Etsy andaniny dia namerina ny tanjona ny filohan` ny Antenimieram-pirenena dia ny hananana Antenimierampirenena matanjaka sy afaka miantoka ny fitoniana ara-politika eto Madagasikara. Anisan’ny fiovana efa hita taratra ohatra ny tsy fisian’ny « malety » intsony, ary maro ireo tanjona izay mbola an-dalam-pahatanterahana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.