Politique

Chrisitine Razanamahasoa Manentana an` ireo depiote haneho hevitra


  • Alatsinainy 11 Janoary 2021

Nanatanteraka ny fiarahabana ireo mpikambana eo anivon` ny birao maharitra ny

 

 

 

 

 

mpiasan'ny Antenimieram-pirenena noho ny fahatrarana ny taona vaovao, ny zoma lasa teo teny amin'ny Lapan'i Tsimbazaza. Nampatsiahy sy nankasitraka ireo asa vita nandritra ny taona lasa na dia teo aza ny valanaretina, ary koa namporisika hiatrika ny fanatanterahana ny vina ho amin'ity taona ity ka tokony hanajan'ny tsirairay ny anjara asany avy ny ny filohan` ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine. Ny sabotsy lasa teo kosa dia tonga niarahaba ity filohan ` ity andrimpanjakana ity sy ny ankohonany ireo solombavambahoaka noho ny tonon-taona vaovao, teny amin'ny tokantranon'ny Filoha teny Andohan'i Mandroseza. Tonga maro ireo Solombavambahoaka avy amin'ny lafin-kery rehetra. Nandritra ireo fandraisam-pitenena dia samy nankasitraka ny maha-Raiamandreny mendrika ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena tamin'ny nahaizany nampivondrona ireo solombavambahoaka na dia teo aza ny tsy fitovian-kevitra. Etsy ankilany kosa dia nanentana hatrany ireo Solombavambahoaka handray anjara mavitrika amin'ny alalan'ny fanehoan-kevitra i Christine Razanamahasoa entina hampandrosoana miaraka ny firenena satria izay no tanjona iraisan'ny rehetra.

 Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT