Politique

Charles Andriamahefa Tsara raha ahemotra ny fifidianana depiote


  • Alarobia 22 Desambra 2010

Ho an’i Charles Andriamahefa, depioten’i Moramanga teo aloha dia tokony hahemotra satria antomotra loatra ny datin’ny 16 martsa 2011 hanatanterahana ny fifidianana solombavambahoaka.

Tena mbola ao anaty orana tanteraka io daty io araka ny nambarany ary ho sahirana ireo kandida any amin’ny faritra be orana tahaka ny any Alaotra Mangoro sy ny faritra atsinanan’ny nosy rehetra iny. Natsidik’ity mpanao politika ity fa anisan’ny nanakianana ny fitondrana rehetra nifandimby teto ny fanaovana fifidianana mandritra ny vanimpotoanan’ny orana ka mampifanalavitra be mihitsy ny fitetezam-paritra vitan’ny kandida avy amin’ny mpanohitra sy ny mahaleotena amin’ny kandidan’ny antoko eo amin’ny fitondrana ka izay matetika sady be vola, no ampy fitaovana ka afaka mitety faritra maro any ambanivohitra na dia ratsy aza ny lalana. Ny fitondrana tetezamita anefa, araka ny nambarany no tompon’ny fanapahan-kevitra farany, na inona na inona ambara ka rehefa izay no fanapahan-keviny dia izay izany no izy. Tsara kokoa raha ahemotra io datin’ny 16 martsa io araka ny nambaran’i Charles Andriamahefa kanefa efa vonona ihany koa izy sy ny antoko tarihany dia ny «Fizafa Adem» izany, raha toa ka tsy maintsy raiketina amin’io ihany ny fifidianana solombavambahoaka.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT