Misafotofoto kely ihany ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny filohan’ny fikambanana Zon’olombelona mampandroso vahoaka, Chandoutis Raoera. Ny atahorana amin’io dia ny ampisy ady.
Izay no mahatonga ahy hilaza hoe zava-dehibe ny fametrahana ny soatoavina Malagasy, hoy izy. Tokony hasongadina amin’izay ny maha Malagasy. Marina fa ao ny soatoavina vahiny toy ny hoe ilaina ny fangaraharahana sy ny fanajana izao sy izao fa izaho mahita hoe ilaina ny fanajana zon’olombelona Malagasy. Tokony hifandrimbona anaty firaisankina isika ialan’ny hoe tsy an’asa ny vahoaka satria miady ny ao ambony, ohatra. Tokony jerena ny tombontsoam-bahoaka ary ampetrao amin’izay ny fitiavana sy fihavanana Malagasy satria manjary lasa resabe fotsiny ilay izy nefa ny fampiharana no tena ilaina. Be dia be ny rafitra misy nefa ny fahantran’ny Malagasy ka tsy fotoana hifampitsinjovana ve izao? Adinoin’ny politika ny fahatezerana raha ohatra misy heritreretin’ireo hoe tsy mety atsy na mety atsy. Tsy fotoana tokony hikaonan-doha ahitana sehatra tena hahafahana mametraka ny tena tombontsoan’ny Malagasy ve izao, hoy hatrany izy? Tokony hametraka an’Andriamanitra eo afovoany amin’izay, hoy izy, na ny mpitondra na entina.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.