Politique

CENIT Tsy maharesy lahatra


  • Alakamisy 15 Novambra 2012

Tsy tena naharesy lahatra ireo mpikambana ao amin’ny CST omaly ry zareo avy ao amin’ny CENIT ny amin’ny hahatanteraka tokoa ny fifidianana amin’ny 8 mey 2013

 Betsaka loatra mantsy ireo zavatra tsy mbola milamina tahaka ny fandriampahalemana, ny lafiny ara-tsosialy ary indrindra moa fa ny lafiny ara-politika. Hatramin’izao mantsy dia mijanona ho resaka fotsiny aloha ilay fananganana ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy na FFM. Olana tsy mety voavaha ny fanendrena ireo mpikambana ao anatiny. Misy tsinona ny mikasa ny hifehy io rafitra voatondron’ny tondrozotra io, izay hanapa-kevitra ny amin’ireo mahazo famotsoran-keloka na tsia ary hanatanteraka ny dingana rehetra eo amin’ny fampihavanam-pirenena.

Eo amin’ny ara-teknika dia mbola misy ihany koa ireo mpikambana CST velon’ahiahy, noho ny fahitana fa misy faritra sasany tena mbola lavitr’ezaka mihitsy ny famitana ny fanisana ny mpifidy, ary na ny eto Antananarivo renivohitra aza dia ireny efa niaraha-nahita ireny fa omaly 14 novambra, vao notsidihan’ny iraky ny CENIT ny filohan’ny tetezamita izay monina eny Ambatobe. Tany am-boalohany anefa dia iray volana izany hoe ny 1 ka hatramin’ny 31 oktobra no tokony nanatanterahana ny fanisana ny manerana ny Nosy, nahemotra hatramin’ny 8 novambra avy eo, izao dia hoe hatramin’ny 15 novambra indray (anio), ary mety mbola hitarina hatramin’ny faran’ity volana ity indray aza izany satria mety mbola misy ny faritra tena tara be mihitsy amin’ity resaka fanisana ny mpifidy ity. Asa moa na fifanandrifian-javatra ihany na efa fandaharam-potoana nifanarahana mialoha, fa omaly dia samy nanamafy ny filohan’ny tetezamita sy ny filohan’ny CENIT fa tsy maintsy misy fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany amin’ny 8 mey 2013.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT