Ho an’i Serge Zafimahova, filohan’ny Club Développement Éthique (CDE), dia mibaribary ankehitriny fa miverina ny fomba tsy nety fanao taloha amin’ny fanaovana propagandy mialoha ny fotoana sy fizarana fanomezana etsy sy eroa mba hambaboana ny fon’ny mpifidy.
Fomba ratsy nahazatra ny mpanao politika teto Madagasikara izy io, ka efa tokony hialana raha toa ka tena hanova marina isika, hoy izy. Ny olana anefa dia tsy afaka mandray fepetra tena hentitra manoloana ireny zavatra tsy mety ireny ny CENIT satria vaofetry ny lalàna mifehy azy ihany ny asa afaka ataony. Tsy afaka mitory na mampisambotra olona na mpanao politika hita fa tena nanao ny tsy mety amin’ity resaka propagandy sy fizarana fanomezana ity ny CENIT, hoy ny fanazavany fa dia mijanona amin’ny fitaterana ny zava-misy fotsiny. Azo atao tsara ny mampahafantatra ny maha kandida ny tena na milaza ny kandida hotohanan’ny tena, saingy ilay mizara zavatra isan-karazany etsy sy eroa mba hividianana ny safidin’ny olona no tsy mety, hoy ny filohan’ny CDE. Fomba ratsy efa tsy nampandroso izany, hoy izy ka tsy tokony hiverenana intsony.
Mibaribary be ihany koa amin’izao fotoana fa dia lasa fanaovana propagandy ho an’i Andry Rajoelina sy izay miara-dia aminy fotsiny ny haino aman-jerim-panjakana dia ny RNM sy ny TVM, hoy i Serge Zafimahova. Mirobaroba ihany koa amin’ny fampiasana ny fitaovam-panjakana ireo manampahefana hoy izy, hanaovana propagandy mialoha ny fotoana kanefa dia tsy afa-manohatra no sady malemy ny CENIT, noho ny tsy fisian’ny lalàna mazava manome fahefaha azy handray andraikitra. Raha hazavaina tsotsotra izay rehetra izay dia, voafonjan’ny lalàna mifehy azy ihany izany ny CENIT, ka voafetra ihany ny asa azony atao koa noho izany dia mbola afaka manao ireo fomba tsy nety hatramin’izay ihany ny mpanao politika, ary tena afaka milalao ny lalana sy fitsipika misy mihitsy, ho amin’ny tombontsoany.
Matetika fiarovan-tenan’ny manampahefana ao anatin’ny tetezamita ny hoe : nitsidika faritra sy nizara fanomezana ho fanampiana ny vahoaka tokoa izahay fa tsy mbola niteny hoe fidio izatsy na izaroa, ka noho izany tsy azo atao mihitsy hoe manao propagandy mialoha ny fotoana. Amin’ny fiteny Malagasy tena ofisialy anefa dia mazava tsara fa fampielezan-kevitra no dikan’ny propagandy, izany hoe rehefa mampiely ny hevitra sy ny foto-kevitra ijoroany, manome soritsoritra fandaharan’asa sy vinam-piarahamonina ny olona iray, no sady mamory vahoaka dia efa azo raisina hoe manao propagandy. Vao mainka moa fa arahana fizarana fanomezana isan-karazany izany mba hanambatambazana ny olona sy hambaboana ny fony.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.