Any ivelany amin’izao fotoana izao ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita, Atallah Béatrice.
Mizara roa mazava tsara ny anton-diany amin’izany, hoy ny sampandraharaha misahana ny serasera eo anivon’ny CENI-T. Voalohany ny fandraisany anjara amin’ny fivoriambe sy ny atrikasam-pifidianana karakarain’ny tambajotran-drafitra ny fahaizamanao ny fikarakarana ny fifidianana amin’ireo firenena miteny ampahany na manontolo ny fiteny frantsay izay nanomboka ny talata 21 ka nifarana omaly alakamisy 23 janoary 2014 tany Bamako, renivohitr’i Mali. Lohahevitry ny atrikasa nodinihana nandritra ny telo andro ny fanamafisana sy haizatran’ireo fikambanana mitantana ireo karazam-pifidianana. Fantatra fa tafiditra ho mpikambana eo anivon’ny RECEF ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana ho an’ny Tetezamita raha voafidy ho mpikambana eo anivon’ny birao mpitantana mandritra ny roa taona, ny filohany Atallah Béatrice izay hany vehivavy mandrafitra izany. Nyalatsinainy 27 hatramin’ny alarobia 29 janoary 2014 kosa dia hitsidika amin’ny fomba fanajana ny foiben’ny Fikambanana iraisam-pirenen’ny Frankofonia ao Paris ny lehiben’ny CENI-T Malagasy. Hisy ihany koa ny fihaonany amin’ireo tompon’andraikitra misahana ny sampandraharahan’ny toetany sy fifidianana ao amin’ny Vondrona Eoropeanina ary ny tetikasa fanaraha-maso fifidianana sy tohana ho an’ny demokrasia eo anivon’ny Vaomiera Eoropeanina ao Bruxelles.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.