Politique

CENI Madagascar Hitory ireo mandika lalàna amin’izay


  • Zoma 10 Mey 2019

Tontosa omaly alakamisy 9 mey tetsy amin’ny Carlton Anosy ny atrikasa fampiofanana ho an’ireo solontenan’antoko sy kandida amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana.

 

 

Ny vaomiera misahana ny fifidianana na CENI sy ny ivontoerana ambony misahana ny faharetan’ny demokrasia aty Afrika na EISA no nifarimbona tamin’ny fanatontosana azy ity. Nampahatsiahivin’ny filoha lefitry ny CENI, Thierry Rakotonarivo, izay nitarika ny fampiofanana ny mikasika ireo azo atao sy tsy azo atao mandritra izao fampielezan-kevitr’ireo kandida depiote izao sy ny aorian’izay rehetra. Tsy azo atao ny manao propagandy any amin’ireo orinasa na fanjakana io na tsy miankina, ny toeram-pivavahana, ny sekoly. Tsy azo atao koa ny manaratsy rafi-panjakana amina zavatra tsy mitombina ary azon’ny CENI natao tsara ny nitory ireo nanao izany tamin’ny fifidianana ho filoham-pirenena teo saingy tsy nataony. Amin’ity kosa na ny olonay aza efa misy voatana am-ponja vonjimaika noho ny tsy fanarahan-dalàna nataony mikasika ny fifidianana, hoy izy, ka toriana izay meloka. Naninona no tsy nisy sahy niteny ny HCC farany teo kanefa ilay voka-pifidianana nolazain’ny sasany fa nisy hosoka navoakanay iny ihany no navoakan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ? Ho hita eo tokoa raha tena ho sahy handray fepetra amin’ireo izay mandika sy efa nandika lalàna marina ity vaomiera lazaina fa mahaleotena ity na hamadi-dresaka sy hanodina saim-bahoaka amin’ny lisi-pifidianana biometrika indray.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT