Politique

CENI Foibe Mitarazoka ny fanendrena ny solontenan’ny Filoham-pirenena


  • Alarobia 17 Novambra 2021

Adihevitra amin’izao fotoana izao ny momba ny firafitry ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI izay ambaran’ireo ankolafy samihafa avy amin’ny mpanohitra,

fa tsy azo antoka ary hanao tamberiny amin’ny mpanendry azy. Misy ny milaza fa anjakan’ny loko volomboasary ny CENI. Mandeha ny tsindry sy ny fitakiana fa tokony horavana ny CENI sy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC, ary halamina sy harindra tanteraka aloha ny lalàm-pifidianana sy ny fitsipi-dalao. Sesilany ny fanambarana sy fitakiana mitovitovy amin’izany tato ho ato, ary ahiana hiverina ny sarisary politika toy ny tamin’ny 2018 nialohan’ny fifidianana Filoha. Hatreto, solontena iray amin’ny 8 sisa no tsy fantatra dia ny avy amin’ny Filoham-pirenena. Izay olona tendreny eo no heverina ho tsara toerana ho lasa Filohan’ny CENI. Fa inona tokoa moa izany no mampilona io fanendrena ny olona avy amin’ny Filoham-pirenena io? Misy kajikajy politika mbola tsy milamina sa mbola hanaovana antso fanaterana antontan-taratasy toy ny fanendrena ambasadaoro? Ny azy sisa andrasana kanefa mbola hisy didim-panjakana sy fihanianana vao hiasa, mbola hifidy birao. Ny RALE (Révision Anuuelle de la Liste Electorale) na fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana anefa efa hanomboka amin’ny 01 desambra ho avy izao. Asa inona loatra no mampilona sy mampihisatra azy? Tena ho tafapetraka araka ny hiheveran’ny Mpitondra azy ve anefa io CENI io raha tarafina amin’ny maripana politika ankehitriny ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT