Politique

CENI Fitoriana 71 no voaray hatreto


  • Zoma 14 Jona 2019

Ny sabotsy 15 jona izao no hamoaka voka-pifidianana feno vonjimaika ny CENI etsy amin`ny foibe Alarobia.

 

 

 Tatitra farany momba ny fifidianana solombavambahoaka no natao farany omaly dia filazana ny vokatra voaray amin`ny ankapobeny tahaka ny fanaovana fampitahana ireo fitanana an-tsoratra (PV) dia tao amin’ny distrikan’i Soalala, Arivonimamo ary Ambositra. Marihina fa ny PV avy amin`ny distrika Analalava no misy vokatra tsy feno satria tsy mazava loatra ny tatitra. An’arivony ireo fangatahana hanao fampitahana saingy 837 amin’ireo no nekena ary nanatontosana fampitahana fitanana an-tsoratra avy amin’ny distrika 23. Miisa71 kosa ireo fitoriana voarain’ny CENI hatramin’ny omaly mifandraika amin’ny tsy fanarahan-dalàna mandritra ny fampielezan-kevitra sy ny andro fandatsaham-bato. Mbola mandray hatramin’ny sabotsy 15 jona, fotoana hamoahan’ny CENI ny voka-pifidianana feno vonjimaika. Ho an’ireo fitoriana sy fitarainana mikasika ny tsy fanekena ny vokatra kosa dia mandritra ireo 48 ora aorian’ny famoahan’ny CENI ny voka-pifidianana feno vonjimaika no ahafahana mametraka izany eny anivon’ny HCC.  Fito amin’ireo fikambanana 39 nomen’ny CENI fankatoavana hanara-maso ny fifidianana solombavambahoaka kosa no nahatonga tatitra eny anivon’ny CENI. Na dia tapitra ny 6 jona aza ny 10 andro omen’ny lalàna hanaterana ny tatitra dia mbola mandray ny CENI. Hifanaraka amin`ny vokatra navoakan`ny filoham-pirenena tany Frantsa ve no havoakan`ny CENI ? Raha tsia, inona no mety hitranga ? Andrasana hatrany ny tohiny.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT