Tafiditra ao anatin` ny lahadinikin` ny Antenimieram-pirenena amin` izao fivoriana ara-potoana izao ny fifidianana izay ho solon’ny toerana banga ao amin’ny
Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI). Araka ny tetiandro dia amin` ny 11 jona izao no hifidy izay ho solon` i Thierry Rakonarivo, ny Filoha Lefitry ny CENI teo aloha. Tsiahivina fa niala na nesorina tamin’ny toerany Atoa Thierry Rakotonarivo taorian’ny fanambarany nanabaribary ireo anarana miverin-droa tamin’ny lisi-pifidianana sy ny karapanondrom-pirenena miverin-droa, izay nampiozongozona tanteraka ny fahefam-panjakana noho ny fiheverana fa nisy lalao maloto ny fifidianana nahalany ny Filoha Rajoelina sy ny olom-boafidy maro. Atsangana amin` io andro io ihany koa ny vaomiera manokana hisahana ny atao hoe “mise en accusation” eo anivon` ny fitsarana avo.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.