Tafatsangana ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania ankehitriny ny “Cellule de crise” mitaky ny fanovana tena izy izay tarihin’Atoa Ratoejanahary Maharavo na i Doudou ka Atoa Randriatahiana Jacques Pierre na i Mamonjy no Filoha mpitarika izany any an-toerana.
Namoaka hevitra maromaro nalaina tamin’ny feon’ny vahoaka tao Amoron’i Mania ka naparitaka amin’ny olom-pirenena rehetra izy ireo nanomboka omaly alatsinainy 24 septambra. Ambaran’izy ireo fa tokony ho tetezamita tantanin’ny olona tsy momba ny atsy sy aroa sy avy amin’ny fikambanan’ny mpiasam-pajakana miaraka amin’ny mpitandro ny filaminana no mitondra. Atsangana amin’ny alalan’ny fanatanterahana fikaonan-doha isan-tokony ny fomba fametrahana izany. Mila ravana, hoy izy ireo ny antoko politika misy eto Madagasikara ka atambatra hizara roa na telo monja mba hidirana amin’ny fampandrosoana maharitra. Tsy maintsy avoaka ny gadra politika rehetra sy ny miaramila nogadraina ary ampodiana ny sesitany politika tsy an-kanavaka. Tsy azo ekena intsony ny tsy maty manota eto amin’ny firenena fa atao mangarahara ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Takian’izy ireo koa ny tokony hampiasana ny teknôlôjia avo lenta amin’ny famoahana ny voka-pifidianana izay hatao. Mikasika ny lalàmpanorenana dia tsara ny famerenana indray ny fandinihana izany mba hahafahantsika mifampifehy sy hanorenana fiarahamonina vaovao mifanaraka amin’ny kolontsaina Malagasy. Momba ny fomba fiasan’ny governemanta dia mila manaja ny Ministera misy azy avy ny tsirairay ary samy manao ny asa ilain’ny vahoaka miankina amin’izy ireo. Nasian’izy ireo resaka ihany koa ny tontolon’ny fitsarana izay nambara fa tokony homena famotsoran-keloka roa taona daholo ny voafonja eto Madagasikara. Ilana fanatsarana sy fampitaovana ny fonja rehetra ary omena ny zony hahalala vaovao sy serasera misy eto amin’ny firenena ny voafonja. Tokony hatsangana ny “Haute Cour de Justice” ahafahana mitsara ireo olona ambony eto amin’ny firenena. Omena fahaleovantena tanteraka ny fitsarana ary tsy tokony hotsabahan’iza n’iza ny fanatanterahan’izy ireo ny asany.
Mikasika ny fandriampahalemana dia tsy maintsy ampiharina isaky ny Faritra ny “Dinan’i Melaky” izay nahitam-bokany. Tsy andeferana ireo tompon’andraikitra ara-panjakana miray tsikombakomba amin’ny mpanao ratsy. Eo amin’ny sehatry ny fananan-tany dia tokony ho maimaimpoana ny fandovana eto Madagasikara, mila foanana ny BIF na Birao Ifoton’ny Fananantany izay mampiady ny mpiray tanindrazana. Eo amin’ny lafiny ara-toekarena dia ny fitondram-panjakana misy no mila miandraikitra ny fitrandrahana lehibe misy eto toy ny solitany, fasimainty … mba hahafahana manome asa ireo tsy an’asa. Ny fanjakana no manafatra fitaovana fanodinana ireo vokatra mifanaraka amin’ireo harena ireo.
Mila hatsaraina ny fifanarahana ara-barotra amin’ny any ivelany, tsy maintsy fehezin’ny fanjakana ny fifandraisana ara-teknôlôjia hifanaraka amin’ny fahefà-mividin’ny vahoaka. Apetraka sy dinihana ny lalàna mifehy ny hetra ary atao mangarahara ho fantatry ny tsirairay. Ara-tsosialy dia tokony ho maimaimpoana ny fitsaboana sy ny fapianarana ny zaza Malagasy, hametrahana oniversitem-panjakana manerana ny Faritra 22. Mila foanana ny ENF fa tsy maintsy raisina mpiasam-panjakana avokoa ireo mpampianatra rehetra. Mila ampifanarahana amin’ny toetr’andro ny tahan’ny karama raisin’ny mpiasam-panjakana sy ny sehatra tsy miankina rehetra. Mipetraka eto Madagasika ny tena fanovana marina raha tanteraka ireo rehetra ireo.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.