Politique

CCI Ivato Nivory nikato-trano ireo Depiote sy ny Praiminisitra


  • Zoma 15 Mey 2020

Nivadika fivoriana nikaton-trano tsy azon’ny mpanao gazety natrehina ny fivoriana teny amin’ny CCI Ivato tokony nanoloran’ny Praiminisitra sy ny Minisitry ny vola ny volavolan-dalàna mifehy tetibolam-panjakana hasiam-panintsiana.

 

 

 

Tonga maro ireo depiote ka tamin’ny 3ora tolakandro no nanomboka nanomboka ny fiantsoana anarana . Vao vita io fiantsoana anarana io dia nasaina ny nivoaka ny mpanao gazety rehetra. Nandeha ny feo nivoaka avy tao anatiny ihany fa isan’ny notakian’ny solombavambahoaka tamin’ny Praiminisitra ho sandan’ny fandaniana ny tetibolam-panjakana ny fanomezana azy ireo fiara tsy mataho-dàlana na “4x4”, izay efa fomba fiady nisy tao amin’io andrim-panjakana io matetika. Nampiady hevitra ihany koa ny tetibola ho an’ny distrika na CLD ho an’ireo distrika misy depiote roa. 250 ho an’ny iray ary 300 ho an’ny 2, kanefa tsy eken’ny depiote fa tokony samy manana ho azy isaky ny depiote. Rehefa nivoaka tao anatin’ny fivoriana nikaton-trano ny Praiminisitra dia nilaza fa sy nisy an’izany resaka fiara izan, tsy nisy ny “chantage” na karazana fanerena ankolaka. Eo amin’ny fampandehanana ny raharaham-pirenena, dia rariny loatra mandtritra ny fivoriana ara-dalàna sy ara-potoana raha misy foana ny fifandinihana eo amin’ny governemanta sy antenimiera. Rariny raha misy fifampidinihana ary ao anatin’ny fifanajana daholo, hoy izy. Hoentina amin’ny herinandro ambony ny volavolana tetibolam-panjakana hasiam-panintsiana, ka andrasana ny tohiny.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT