Politique

Camille Vital Vita hatreo ny famoriam-bahoaka !


  • Talata 07 Desambra 2010

Dingana iray amin’ny firosoana amin’ny fametrahana ny Repoblika faha-4 ny fananana lalàmpanorenana vaovao, hoy ny praiministry ny FAT, Camille Vital, taorian’ny lanonana famoahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny voka-pifidianana ofisialy izay nahalany ny «Eny» tamin’ny salan’isam-bato 74.19%.

Ny filohan’ity andrimpanjakana ity kosa, Rajaonarivony Michel dia nanamarika tamin’ny kabariny fa miverina miandalana ao anatin’ny rafitra ara-dalàna izao i Madagasikara ka ny fikatsahana ny fampitoniana ny toe-draharaha no tokony himasoan’ny fanjakana. Mizotra amin’ny fananganana ny governemanta iraisana ny fanjakana izao araka ny tapaka nandritra ny fihaonambem-pirenena teny Ivato raha nanohy ny fanazavan-keviny i Camille Vital. Momba ny fahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena dia nambaran’ny jeneraly Vital fa anjaran’ireo firenena vahiny sy fikambanana iraisam-pirenena no mijery momba izay.

«Fantatr’izy ireo izay ataony. Iaraha-mahalala izao ny zava-misy any Cote d’Ivoire fa na lava be aza ny tetezamita tany an-toerana dia tsy voatery hitondra filaminana kanefa isika izao efa mahavita dingana». Na dia tsy mivantana aza ny lehiben’ny governemantan’ny FAT dia namaly ireo Ankolafy Telo izay mangataka alalana hanatontosa famoriam-bahoaka koa izy raha nilaza fa ahantona ny fanomezana alalana amin’ny hetsika politika mba hisorohana ny korontana ao anatin’izao fananganana ny rafitra isan-karazany ao amin’ny Repoblika faha-4 izao. Midika izany teniny izany fa tsy hahazo alalana hanatontosa hetsika eto an-drenivohitra intsony na any amin’ny faritra koa ny mpomba ireo filoha telolahy teo aloha izay mitsipaka hatrany ity fitondrana tetezamita ity.

Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT