Politique

Camille Mektoub Efa vita ny voka-pifidianana ?


  • Alatsinainy 08 Oktobra 2012

Anisan’ny antony nitarihan’i Andry Rajoelina olona teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny nilazany fa tsy tombontsoam-bahoaka ny nividianan-dRavalomanana ny fiaramanidina “Force One II” sady tsy nisy ihany koa ny mangarahara tamin’ny fividianana io fiaramanidina io.

 Raha ratsy ny nividianana an’io, hoy ny solontenan’ny ankolafy Zafy Albert, aiza ho aiza ny fividianana ireo helikoptera Alouette izay helikopetra efa tena tranainy tamin’ny taona 60 ? Ny “Force One II” mba azo nivezivezena niasana ho amin’ny fampandrosoana, hoy i Camille Mektoub fa ireo Alouette efatra dia novidiana hatao fakana piesy. Volabe anefa, araka ny fanazavana no lany amin’ireo helikopetra ireo satria 12 tapitrisa Ariary eo ny sidina iray ankoatra ny karaman’ny mpanamory, izay am-polony tapitrisa Ariary. Momba ny sonia nataon’i Andry Rajoelina tany amin’ny foiben’ny Firenena Mikambana indray dia nametra-panontaniana i Camille Mektoub hoe nanomboka oviana no nanan-kery ny sonian’i Andry Rajoelina ? Oviana no nanana ny lanjany ary nanomboka oviana no nitana ny teny sy nanaja ny sonia nataony izy ? Nolalaovina i Andry Rajoelina tamin’iny, hoy izy satria nampanaovina tsianjery saingy mba te hanapepo ny fianakaviam-be iraisam-pirenena. Rehefa nikabary i Andry Rajoelina, hoy i Camille Mektoub dia anisan’ireo niala ny solontenan’i Etazonia satria tsy misy olona manan-tsaina hanaiky hiatrika kabarin’olona sady nanongam-panjakana no tsy nanaja ny sonia nataony. Na nofoanana na tsy nofoanana ny fanamelohana ho faty, hoy i Camille Mektoub dia tsy any ny olana.

Araka ny fanazavana dia efa tamin’ny andron’ny filoha Ravalomanana no efa nodinihina teo anivon’ny Parlemanta io. Ankoatra izay dia nasian’ity solontenan’ny ankolafy Zafy resaka ihany koa ny mikasika ny fanoloana ny komandin’ny zandary. “Tohin’ny lojika amin’i Andry Rajoelina sy Rakotoarimasy io. Soloina avy amin’ny andiany faha-13 avokoa satria hanao saritsarim-panonganam-panjakana ka mody esorina eo i Andry Rajoelina hametrahana fitondra-miaramila”, hoy izy. Tsy hanaiky an’izany anefa ny vahoaka, indrindra fa raha izany no hanakanana ny fiverenan-dRavalomanana. Tetsy andanin’izany, momba ny fifidianana dia nambarany fa efa misy logiciel mandehandeha any ka efa vita ny voka-pifidianana. Raha ny fanazavana dia nametraka i Andry Rajoelina fa tsy misy afaka mibaiko izay tian’ny Malagasy hatao. Midika izany, hoy i Camille Mektoub fa hilatsaka izy saingy hanao ny fomba rehetra hangalaram-bato satria efa tsy matoky tena. Mazava ihany koa ny voalazan’ny sori-dalana, hoy ihany ity solontenan’ny ankolafy Zafy ity fa fitoniana aloha vao fifidianana.

 

Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT