Efa eo am-pelatanana ny lakile hirosoana amin’ny tena fampihavanam-pirenena fa ny fahavononana sy ny fanatanterahana sisa no andrasana amin’ny filoham-pirenena vaovao Rajaonarimampianina Hery izay hita ho manao ambonin-javatra ity fototra goavana amin’ny fametrahana ny maha firenena iray an’i Madagasikara ity, hoy ireo mpizaika solontena avy amin’ny lafivalon’ny Nosy nikaon-doha nandritra ny roa andro teny Mahazoarivo.
Miandrandra fihaonana maika eo amin’ny filohan’ny Repoblika ankehitriny sy ny Profesora Zafy Albert, filoha nasionalin’ny CRN izy ireo mba hampiharana faran’izay haingana ireo fehin-kevitra notinapaka farany teo. Laharampahamehana amin’izany ny fananganana azy io ho andrim-panjakana mahefa eto amin’ny firenena malagasy. Ho fanampiana ny Fiadidiana ny Repoblika amin’ny firosoana amin’ireo dingana lavitr’ezaka ka hahalasa ny fampihavanam-pirenena ho fomba fisainana sy ho fomba fiasa amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana dia mila manova ny Lalàna fototra isika, hoy ny Sekretera jeneralin’ny CRN Mektoub Camille. Ny filoham-pirenena no manana ny fahefana hampanao fitsapan-kevi-bahoaka amin’izany. Nomarihan’ity tompon’andraikitra ity ihany koa fa tsy misalovana ny asan’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara sy ny Filankevitry ny Fampihavanam-pirenena ny CRN fa mijoro sy vonona kosa ny hifampizara ny traikefa efa ananan’ireo mpikambana ao anatiny. Nisy fahadisoan-kevitra ihany mantsy ny firotorotoana nampijoro ny FFM izay niainga tamin’ny tondrozotra novolavolain’ny vahiny ka nanapaka ny tetezana efa nitsangana nanomboka tamin’ny taona 2002. Tsy mahagaga raha nivaona tanteraka ny foto-kevitra nijoroan’ity andrim-panjakana ity satria toa lasa fiadian-tseza toy ireo rafitra rehetra nifandimby natsangana no niafarany, hoy ny fanampim-panazavany.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.